37Raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tao am-pony ka nanontany an'i Petera sy ny apôstôly namany hoe:
–Ry havana, inona no tokony hataonay?
38Dia hoy i Petera taminy:
–Ialao ny toe-dratsy, ary aoka ianareo samy hatao batisa* amin'ny anaran'i Jesoa Kristy mba ho voavela heloka, dia handray ny Fanahy Masina fanomezan'Andriamanitra. 39Fa
ny fanomezana nampanantenain'Andriamanitra dia ho anareo sy ny
zanakareo, ary ho an'ireo rehetra any lavitra any, na iza na iza
hantsoin'ny Tompo Andriamanitsika hanatona Azy.
40Mbola maro ny teny hafa nijoroan'i Petera ho vavolombelona ka nitaomany sy nananarany ny vahoaka hoe:
–Vonjeo ny tenanareo ka misaraha amin'ireto olona mpaniasia ireto!
41Koa
izay nandray tsara ny tenin'i Petera dia natao batisa; ary olona tokony
ho telo arivo no nanatevin-daharana ny mpino tamin'izany andro izany.