jeudi 20 février 2014

Alakamisy 20 Febroary 2014 - Gen 28 : 10 - 15

10Niala tao Beera-Seba i Jakôba ka nankany Haràna. 11Ary tratry ny masoandro milentika teo amin'ny toerana iray izy ka nandry teo. Dia naka vato tamin'izany toerana izany izy nataony ondana, ka natory teo. 12Nanonofy izy ka indro nisy tohatra natsangana avy amin'ny tany ary nahatakatra ny lanitra ny tendrony; dia indreo nisy anjeli*n'Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.

 13Ary niseho teo anoloan'i Jakôba ny TOMPO Andriamanitra ka nanao hoe:
–Izaho no TOMPO, Andriamanitr'i Abrahama raibenao sy Andriamanitr'i Itsehàka. Ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao. 14Ho maro tahaka ny vovoky ny tany ny taranakao ka hiely hianatsimo sy hianavaratra ary hiankandrefana sy hiantsinanana. Amin'ny alalanao sy ny taranakao no hitahiana* ny firenena rehetra eto an-tany. 15Hiaraka aminao Aho ary hiaro anao amin'izay rehetra alehanao ka hitondra anao miverina amin'ity tany ity. Tsy handao anao aho ary hotanterahiko izay rehetra nampanantenaiko anao.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12