samedi 22 février 2014

Sabotsy 22 Febroary 2014 - Zak 8 : 1 - 8

1Ary nisy tenin'ny TOMPOn'izao rehetra izao tamiko nanao hoe:
2«Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao:
Miredaredam-pitiavana an'i Tsiôna Aho;
eny, miredaredam-pitiavana fatratra azy Aho.
3Koa Izaho TOMPO mihitsy no milaza
fa efa tafaverina indray eto Tsiôna* Aho
ka monina eo afovoan'i Jerosalema.
Ny hiantsoana an'i Jerosalema dia «Tanàna mahatoky.»
ary ny hiantsoana an'i Tsiôna tendrombohitro
dia «Tendrombohitra masina.»
4Eny, hoy Izaho TOMPOn'izao rehetra izao,
mbola hisy lehilahy sy vehivavy antitra
hipetrapetraka eny an-kianjan'i Jerosalema;
ka isan'olona ireo, noho ny fahanterany,
dia samy hitondra tehina an-tanana.
5Ary ny kianjan'io tanàna io koa
dia ho feno zazalahy sy zazavavy milalao.
6Dia hoy ihany Izaho TOMPOn'izao rehetra izao:
Raha sarotra atao ho amin'ireo andro ireo izany
ho an'ny vahoaka israelita sisa velona,
dia tsy ho sarotra atao kosa izany amiko.
Izaho TOMPOn'izao rehetra izao
no manao izany teny hentitra izany.
7Eny, Izaho TOMPOn'izao rehetra izao dia mampanantena
fa ny vahoakako voaeliko dia hovonjeko
avy any atsinanana sy avy any andrefana.
8Hitondra azy avy any Aho,
ka hamponina azy ao Jerosalema;
dia ho vahoakako izy,
ary Izaho ho Andriamaniny
amim-pahitsiana sy amim-pahamarinana.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12