samedi 15 février 2014

Sabotsy 15 Febroary 2014 - Jer 39 : 15 - 18

15Fa fony mbola voatana tao an-kianjan'ny trano fiambenana i Jeremià, dia nisy kosa tenin'ny TOMPO taminy nanao hoe: 16«Mandehàna lazao amin'i Hebeda-Melèka etiôpianina hoe: ‹Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: Indro efa nambarako tamin'ny mponin'ity tanàna ity ny loza fa tsy ny soa. Noho izany dia hotanterahiko izay nolazaiko ary ho tsapanao tsy ho ela izany. 17Nefa amin'ny andro izay hahatongavan'izany loza izany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, dia hafahako ianao, ka tsy hatolotro eo an-tanan'ireo olona atahoranao. 18Havotako tokoa ianao mba tsy ho faty an'ady, ka ho voavonjy ny ainao, satria natoky Ahy ianao. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.› »

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12