mercredi 5 février 2014

Alarobia 05 Febroary 2014 - Mat 8 : 5 - 15

5Rehefa niditra tao Kafarnahòma i Jesoa, dia nisy kapitenin-tafika nanatona Azy sady nitaraina taminy 6hoe:
–Tompo ô, milamaka ao an-tranoko ao re ny mpanompoko, fa malemy sady mijaly mafy dia mafy.
 
7Ary hoy i Jesoa taminy:
–Ho avy Aho hanasitrana azy!
 
8Dia novalian'ny kapiteny hoe:
–Tompo ô, tsy mendrika handrosoanao an-trano aho; fa teny fotsiny re atao, dia ho sitrana ny mpanompoko. 9Izaho manko, na ambany fahefan'olona aza, dia mba mifehy miaramila ihany; ka raha misy ataoko hoe «Mandehana», dia mandeha izy; na misy antsoiko hoe «Avia», dia avy izy; ary raha ny mpiasako no ilazako hoe «Ataovy izao», dia manao izy.
 
10Gaga i Jesoa raha nandre izany, ka loa-bolana tamin'ireo nanaraka Azy nanao hoe:
–Lazaiko marina aminareo fa mbola tsy nisy olona nahitako finoana toy izany tamin'i Israely*. 11Ambarako aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no hipetraka hiara-misakafo amin-dry i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba any amin'ny Fanjakàn'ny lanitra*. 12Ireo natao handova ny Fanjakàn'ny lanitra kosa dia horoahina any amin'ny maizina any ivelany; ka any ireo no hitomany sy hikitro-nify.
 
13Dia hoy i Jesoa tamin'ilay kapiteny:
–Mandehana, ary aoka ho tonga aminao araka izay ninoanao.
Dia sitrana tamin'izany ora izany ilay mpanompony.
 
14Dia niantrano tao amin-dry i Petera i Jesoa, ary nahita ny rafozambavin'i Petera nandamaka fa voan'ny tazo. 15Nokasihin'i Jesoa ny tanan-dravehivavy; ary nialan'ny tazo ravehivavy dia nitsangana nandroso sakafo ho an'i Jesoa.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12