mardi 4 février 2014
Talata 04 Febroary 2014 - II sam 7 : 25 - 29
25Ankehitriny,
ry TOMPO Andriamanitra ô, ny fampanantenana nolazainao momba ahy sy ny
taranako dia tano mandrakizay ary ataovy araka izay efa
nampanantenainao. 26Halaza
mandrakizay anie ny anaranao ka hatao hoe: «Ny TOMPOn'izao rehetra izao
no Andriamanitr'i Israely». Ary ho mafy orina eo anatrehanao ny
taranako. 27Satria
Ianao, ry TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely, efa
nanambara tamiko fa hanome taranaka ho ahy; koa izany no nahasahiako
hivavaka aminao izao. 28Ry
Tompo ANDRIANANAHARY ô, ianao mihitsy no Andriamanitra; azo antoka ny
teninao, ary izaho mpanomponao no efa nampanantenainao izany zava-tsoa
izany. 29Koa ho sitrakao anie ankehitriny ny hitahy*
ireo taranako mba hitohy mandrakizay eo anatrehanao. Satria Ianao, ry
Tompo ANDRIANANAHARY ô, no efa nampanantena, ka ny fitahianao no
hitahianao mandrakizay ny taranako, fa mpanomponao aho.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...