vendredi 14 février 2014
Zoma 14 Febroary 2014 - Asa 18 : 24 - 28
24Tonga
tao Efeso ity Jiosy atao hoe Apôlao, teraka tany Aleksandria, lehilahy
mpandaha-teny mahay sady nahalala tsara dia tsara ny Soratra Masina*. 25Efa nianatra ny lalana nosoritan'ny Tompo izy ary nafana fo nanambara sy nampianatra mazava tsara momba an'i Jesoa, saingy ny batisan'i Jôhany no hany fantany. 26Niteny tamim-pahasahiana tao amin'ny sinagôga*
i Apôlao; ary nony nandre azy i Prisila sy i Akoilà, dia naka azy ho
any aminy ka nanazava marina kokoa taminy momba ny lalana
nosoritan'Andriamanitra. 27Avy eo dia nanam-paniriana ho any Akaîa i Apôlao; ka nampirisika azy ny havana iray finoana sady nanoratra taratasy ho an'ny mpianatra*
amin'io faritany io mba handraisany azy tsara. Nony tafapaka tany i
Apôlao, dia nanampy tokoa ireo olona efa niasan'ny
fahasoavan'Andriamanitra ka tonga mpino; 28teny
feno hery tokoa no nandreseny lahatra ny Jiosy ampahibemaso ka
nanaporofoany tamin'ny alalan'ny Soratra Masina fa i Jesoa no ilay Mesia*.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...