samedi 1 février 2014

Sabotsy 01 febroary 2014 - Isa 10 : 24 - 27

24Izany no antony ilazan'ny Tompo ANDRIAMANITR'izao rehetra izao hoe: «Aza matahotra an'i Asirianina, ry vahoakako monina ao Tsiôna*! Kibay sy langilangy no ikapohany anao toy izay nataon'ny Ejiptianina taminao fahiny; 25fa rehefa afaka kelikely, fotoana fohy monja, dia hitsahatra ny fahavinirako aminao ary hisampotina aminy ny fahatezerako.» 26Harangarangan'ny TOMPOn'izao rehetra izao manko ny karavasy hikapohany an'i Asiria tahaka izay nataony tamin'ny famelezana ny Midianita teo amin'ny harambaton'i Hôreba; ary hatsotrany eny ambony ranomasina ny tehiny, toy izay nataony tany Ejipta.
27Amin'izany andro izany,
hoesoriny eo an-tsorokao ny enta-mavesatra,
ary halàny eo am-bozonanao ny zioga*.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12