mardi 25 février 2014

Talata 25 Febroary 2014 - Isa 55 : 6 - 13

6Tadiavo ny TOMPO, dieny mbola manaiky ho hita,
antsoy Izy, dieny mbola akaiky anareo.
7Aoka ny olon-dratsy handao ny fanaony,
ary ny mpanao ratsy hahafoy ny heviny.
Aoka hiverina amin'ny TOMPO ireny
fa hamindra fo aminy Izy.
Aoka hiverina amin'Andriamanitsika ireny
fa hihoa-pampana ny famelan-keloka homeny azy.
8Teny hentitry ny TOMPO izao:
«Ny hevitro tsy hevitrareo
ary ny lalanareo tsy mba lalako.
9Tahaka ny haavon'ny lanitra amin'ny tany
no haavon'ny lalako amin'ny lalanareo
sy ny hevitro amin'ny hevitrareo.
10Ny ranonorana sy oram-panala
milatsaka avy any an-danitra
dia tsy miverina any raha tsy efa mahavonto ny tany
sy mahalonaka azy ary mampahavokatra azy
ka mampahazo masomboly hafafy sy hanin-kohanina;
11dia ho tahaka izany koa ny teny aloaky ny vavako:
tsy hiveri-maina foana atỳ amiko izy,
raha tsy efa nahatanteraka izay sitrako
sy nahatratra ny tanjona nanirahako azy.
12Fa amim-pifaliana no hialanareo eto Babilôna
ary amim-piadanana no hampodîna anareo.
Ny tendrombohitra sy ny havoana
dia hihorakora-pifaliana rehefa mandalo ianareo,
ary ny hazo rehetra any an-tsaha hiteha-tanana.
13Ny hazo kipreso no haniry ho solon'ny tsilo,
ary ny rotra no haniry ho solon'ny amiana.
Ho voninahitra ho an'ny TOMPO izany,
ka ho famantarana tsy hokosehina na oviana na oviana
ny amin'izay nataony ho anareo.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12