samedi 8 février 2014

Sabotsy 08 Febroary 2014 - Jer 46 : 25 - 28

25Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: «Indro Aho hirotsaka an-tsehatra hamely an'i Amôna andriamanitr'i Teba, hamely an'i Ejipta sy ny andriamaniny ary ny mpanjakany, eny, hamely ny Farao sy izay rehetra miantehitra aminy. 26Hatolotro eo an-tanan'ireo mitady hahafaty azy izy, dia i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilôna mbamin'ireo miaramilany.
Rehefa afaka izany, vao hiverina amin'ny laoniny toy ny taloha i Ejipta. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO.»

27Aza matahotra kosa ianareo,
ry taranak'i Jakôba mpanompoko.
Aza kivy ianao, ry firenena Israely,
fa indro Aho hamonjy anao
avy any amin'ny faritany lavitra any;
indro Aho hamonjy ireo taranakao
avy any amin'ny tany izay nahababo azy.
Hiverina ianareo, ry taranak'i Jakôba,
ka hiadana sy handry feizay
fa tsy hisy hanaitaitra intsony.
28Ry taranak'i Jakôba mpanompoko,
aza matahotra ianareo,
satria Izaho no miaraka aminareo;
teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
Hofongorako ny firenen-kafa rehetra
izay nanelezako anareo;
ianareo kosa tsy mba hofongorako,
na dia tsy maintsy faiziko
araka ny hitsiny ihany aza
fa tsy havelako ho afa-maina!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12