mercredi 12 février 2014

Talata 12 Febroary 2014 - Mat 10 : 16 - 25

16–Indro Aho maniraka anareo ho tahaka ny ondry eo afovoan'ny amboadia. Noho izany, aoka ho malina tahaka ny bibilava ianareo, ary aoka ho tsotra tahaka ny voromahailala. 17Mitandrema, fa hatolotry ny olona amin'ny mpitsara isan-tanàna ianareo sady hokapohiny any amin'ny sinagôgany*; 18ary hoentina eo anoloan'ny mpifehy sy ny mpanjaka noho ny maha mpianatro anareo, mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy eo anatrehan'ny Jiosy sy ny hafa firenena. 19Fa raha atolotry ny olona ianareo, aza manahy izay fomba hitenenanareo na izay teny holazainareo, satria homena anareo eo no ho eo ihany izay teny holazainareo. 20Tsy teny avy aminareo no holazainareo fa teny avy amin'ny Fanahy Masina irahin'ilay Rainareo.
21Hisy olona hanolotra ny iray tampo aminy hovonoina; hisy raim-pianakaviana hanolotra ny zanany hovonoina; ary hisy zanaka hanohitra ray aman-dreny ka hampanameloka azy ho faty. 22Ho halan'ny olona rehetra ianareo satria miandany amiko; fa izay haharitra hatramin'ny farany dia ho voavonjy. 23Raha enjehina amin'ny tanàna anankiray ianareo, dia mandosira any amin'ny tanàna hafa; eny, lazaiko marina aminareo fa tsy ho tapitra voatetinareo akory ny tanàna eto Israely, dia ho avy ny Zanak'olona*.
24Mpianatra tsy mihoatra ny mpampianatra azy; mpanompo tsy mihoatra ny tompony. 25Ampy ho an'ny mpianatra ny tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ho an'ny mpanompo ny tonga tahaka ny tompony. Koa raha ny loham-pianakaviana aza nisy nanao hoe Belzeboba*, mainka fa ny fianakaviany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12