dimanche 6 mai 2012
Alahady 06 May 2012 - Zef 2 : 1 - 3
1Miangona, eny, mivoria ianareo Ry firenena tsy manan-kenatra*, [*Na: tsy manina] 2 Dieny tsy mbola mihatra ny didy (Mihelina toy ny akofa ny andro!), Dieny tsy mbola tonga aminareo ny fahatezerana mafin'i Jehovah, Eny, dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah. 3 Mitadiava an'i Jehovah, ianareo mpandefitra rehetra amin'ny tany, Izay efa nanaraka ny fitsipiny: Tadiavo ny fahamarinana, Tadiavo ny fandeferana; Angamba ho voafina ianareo amin'ny andro fahatezeran'i Jehovah.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...