jeudi 24 mai 2012
Alakamisy 24 May 2012 - Heb 12 : 1 - 3
1 Voahodidina vavolombelona marobe tokoa ary isika; noho izany, dia aoka hanaisotra ny zavatra rehetra manembantsembana ny hazakazaka ataontsika sy hanaisotra ny ota mora mangeja antsika, ary hiezaka amim-paharetana eo amin'izao fifaninanana hazakazaka naroso hataontsika izao. 2 Aoka isika hifantoka tsara amin'i Jesoa, Izay loharanon'ny finoantsika hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany. Niaretan'i Jesoa ny namonoana Azy teo amin'ny hazofijaliana fa tsy nitandroany henatra, satria tsinjony sahady ny hafaliana natao ho azony; ka izao Izy efa mipetraka eo ankavanan'ny sezafiandrianan'Andriamanitra.
3 Eritrereto tsara i Jesoa, Izay niaritra ny fanoherana mafy nafitsoky ny mpanota taminy; ka aza kivy, aza ketraka ianareo.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...