jeudi 17 mai 2012

Alakamisy 17 May 2012 - Efe 4 : 1 - 10


1 Koa mangataka aminareo aho, dia izaho izay migadra noho ny amin'ny Tompo: manana fitondrantena mendrika ny fiantsoan'Andriamanitra anareo. 2 Manetre tena lalandava, aoka halemy fanahy sady hahari-po. Mifandefera amim-pitiavana. 3 Aoka ny fihavanana no hifamatoranareo, dia hazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy Masina ianareo. 4 Iray ny tena ary iray ny Fanahy, toy ny maha iray ny fanantenana niantsoan'Andriamanitra anareo. 5 Iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa; 6 iray Andriamanitra sady Rain'ny kristianina rehetra, manjaka amin'izy rehetra, miasa amin'ny alalan'izy rehetra ary mitoetra ao amin'izy rehetra. 7 Kanefa isika tsirairay avy dia samy nahazo fanomezana manokana arakaraka izay nomen'i Kristy. 8 Izany no ilazan'ny Soratra Masina hoe: Raha miakatra any amin'ny avo Izy, dia nitondra babo marobe, ka nanome fanomezana ho an'ny olona. 9 Inona moa no hevitry ny hoe niakatra Izy, afa-tsy hoe: efa nidina tany amin'ny fanambanin'ny tany lalina indrindra Izy. 10 Ilay nidina ihany ho Ilay niakatra any amin'ny lanitra faratampony indrindra, mba hanerana izao rehetra izao.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12