jeudi 10 mai 2012

Alakamisy 10 May 2012 - Rom 9


19 Hianao ary dia hanao amiko hoe: Koa nahoana Izy no manome tsiny ihany? Fa iza no manohitra ny sitrapony? 20 Tsia, ralehilahy, fa iza moa ianao, no mamaly an'Andriamanitra? Izay zavatra noforonina va hanao amin'izay namorona azy hoe: Nahoana Hianao no nanao ahy toy izao? 21 Ny mpanefy vilany va tsy manam-pahefana amin'ny tanimanga, ka ny vongany iray ihany no anaovany zavatra samy hafa, ny iray hohajaina, ary ny iray hatao tsinontsinona? 22 Sa ahoana kosa raha Andriamanitra, na dia ta-haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra tamin'izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana, 23 mba hampahafantarina koa ny haren'ny voninahiny amin'izay fanaky ny famindram-po, izay namboariny rahateo hahazo voninahitra, 24 dia isika izay nantsoiny koa, tsy ny avy amin'ny Jiosy ihany, fa ny avy amin'ny jentilisa koa, 25 araka izay lazainy eo amin'i Hosea hoe: Hiantso ny tsy oloko hoe oloko Aho; Ary ilay tsy malala hoe malala (Hos. 2. 25); 26 Ary any amin'ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, Dia any no hiantsoana azy hoe zanak'Andriamanitra velona (Hos. 2. 1). 27 Ary Isaia milaza ny amin'ny Isiraely hoe: Na dia toy ny fasika any amin'ny ranomasina aza ny isan'ny Zanak'isiraely, dia izay sisa ihany no hovonjena; 28 fa amin'ny fahatanterahana faingana no hanefan'i Jehovah ny teniny ambonin'ny tany (Isa. 10. 22, 23); 29 ary araka izay nolazain'Isaia fahiny hoe: Raha tsy Jehovah, Tompon'ny maro, no namela taranaka ho antsika, Dia efa tonga tahaka an'i Sodoma sy tonga tahaka an'i Gomora isika (Isa. 1. 9).

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12