mardi 22 mai 2012
Talata 22 May 2012 - Lio 13 : 6 - 9
6 Dia nanao ity fanoharana ity i Jesoa: Nisy aviavy naniry tao amin'ny tanimboalobok'ity lehilahy anankiray. Tonga izy indray mandeha nitady voa tamin'ilay hazo fa tsy nahita. 7 Ka hoy izy tamin'ny mpikarakara ny tanimboaloboka: Etsy ange! efa telo taona misesy izao no tonga nitady voa tamin'ity aviavy ity aho nefa tsy mahita. Kapao io, fa nahoana no mibahan-toerana foana eo? 8 Dia niteny ilay mpiasa nanao taminy hoe: Avelao ihany re izy, tompoko, amin'ity taona ity, fa hohadiko ny manodidina azy ary hasiako zezika; 9 angamba hamoa ihany izy amin'ny taona ho avy, fa hampikapainao raha tsy izany.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...