vendredi 18 mai 2012

Zoma 18 May 2012 - II Mpa 2 : 9 - 14


9 Rehefa samy tafita izy, dia hoy i Elia tamin'i Elisa: Angataho izay tianao hataoko aminao mialoha ny hanesorana ahy ho lavitra anao. Ary hoy i Elisa: Mba te hahazo anjara roa amin'ny fanahinao re aho. 10 Fa hoy kosa i Elia: Zava-tsarotra no angatahinao, kanefa raha voajerinao aho amin'iny hoesorina hiala aminao iny, dia ho azonao tokoa izany; fa raha tsy voajerinao kosa aho, dia tsy ho azonao izany. 11 Ary raha mbola nanohy dia sy niresaka iny izy mianaka, dia indro nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy mianaka; ary i Elia dia nakarina tao anaty tadio ho any ana habakabaka any. 12 Rehefa nijery izany i Elisa, dia niantsoantso hoe: Ry dada o, ry dada o, mahery noho ireo kalesin'i Israely sy ny mpitaingin-tsoavaliny ianao! Nony tsy hitan'i Elisa intsony i Elia, dia notriariny roa ny fitafiany. 13 Ary nalainy ny akanjobe izay nilatsaka avy teny an-tsorok'i Elia; dia niverina izy ka nitsangana teo amoron'i Jordana. 14 Noraisin'i Elisa ilay akanjoben'i Elia ka nikapohany ny rano, sady nihiaka izy hoe: Aiza ny TOMPO Andriamanitr'i Eliay Aiza Izy? Mba nikapoka ny rano koa i Elisa, dia nisaraka roa izany ary niampita izy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12