lundi 21 mai 2012
Alatsinainy 21 May 2012 - Isa 53 : 7 - 10
7. Nampahorina ny Mpanompon'ny TOMPO, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava akory, tahaka ny Zanak'ondry entina hovonoina sy tahaka ny ondrivavy eo anatrehan'ny manety azy. Eny, tsy niloa-bava akory izy. 8. Nosamborina izy, dia nohelohina mafy ary novonoina;ka, tamin'ireo mpiara-belona taminy, iza moa no mba nieritreritra ny nanjo azy. Fa nofongorana teo amin'ny tanin'ny velona izy; ary ny heloky ny mpiray firenena aminy no nikapohana azy ho faty? 9. Nokasaina hiray fasana amin'ny olon-dratsy izany Mpanompon'ny Tompo izany; kanefa teo anivon'ny mpanankarena no nandevenana azy, satria tsy nanao ratsy akory izy ary tsy nisy fitaka teo am-bavany . 10. Fa sitraky ny TOMPO ny hahatorotoro ilay mpanompony ka izany no nampiaretany azy fangirifiriana. Fa rehefa nanolo-tena hosorom-panorenana izy, dia hahita taranaka sy ho ela velona; ary amin'ny alalan'io mpanompony io rahateo no hahatanteraka ny sitrapon'ny TOMPO.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...