mercredi 23 mai 2012

Alarobia 23 May - 2012 - I Mpan 13 : 16 - 28


16 Fa hoy izy namaly: Tsia, tsy mahazo miverin-dalana hiaraka aminao aho ary tsy mahazo mihinan-kanina na misotro rano aminao aty; 17 satria izao no tenin'ny TOMPO tamiko: Aza mihinan-kanina na misotro any, ary aza miverina amin'ny lalana efa nalehanao.
18 Fa hoy kosa ilay lahiantitra taminy: Izaho koa dia mba mpaminany toa anao ihany, ary nisy anjely nilaza tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe: Ento miverina miaraka aminao ho any an-tranonao izy mba hihinan-kanina sy hisotro rano. Kanjo nandainga taminy izy. 19 Dia niverina niaraka taminy ihany ilay olon'Andriamanitra, ka nihinan-kanina sy nisotro rano tao an-tranony. 20 Fa raha mbola nipetraka nihinana izy roa lahy, dia nisy tenin'ny TOMPO tamin'ilay mpaminany antitra nampiverin-dalana; 21 ary izy io kosa niteny mafy tamin'ilay olon'Andriamanitra avy any Joda hoe: Izao no lazain'ny TOMPO: Noho ianao tsy nankato ny baikon'ny TOMPO Andriamanitrao ary tsy nitandrina ny didy izay nomeny anao, 22 noho ianao niverina nihinan-kanina sy nisotro rano tany amin'ny tany izay nandraran'ny TOMPO anao hoe: 'Aza mihinan-kanina na misotro rano any', dia ho faty ianao kanefa tsy hiditra am-pasan-drazanao ny fatinao. 23 Rehefa avy nihinana sy nisotro izy roa lahy, dia nasian'ilay lahiantitra lasely ny boriky hitaingenan'ilay mpaminany voataonany hiverina teo iny. 24 Kanjo nony nandeha izy, dia sendra liona teny an-dalana ka matin'izany; ary ny fatiny dia niampatra teo amin'ny lalana, fa ny boriky sy ny liona kosa nijanona teo an-daniny sy an-kilany. 25 Rehefa hitan'ny mpandalo ny faty niampatra teo amin'ny lalana sy ny liona nijanona teo anilany, dia lasa ireo nitantara izany tany amin'ny tanana izay nipetrahan'ilay mpaminany antitra. 26 Nony nandre izany ity mpaminany nampiverin-dalana azy, dia nilaza hoe: Ilay olon'Andriamanitra tsy nankato ny baikon'ny TOMPO izay; fa natolotry ny TOMPO ho an'ny liona izy ka noviravirainy sy nataony maty araka ny teny izay nambaran'ny TOMPO taminy. 27 Avy eo dia hoy ity lahiantitra tamin'ireto zanany: Asio lasely ny borikiko! Nony voaisy lasely ny boriky, 28 dia nandeha ilay mpaminany antitra ka nahita ny fatin-dralehilahy niampatra teo amin'ny lalana ary ny boriky sy ny liona nijanona teo anilan'ny faty; nefa ny liona tsy nihinana ny faty ary tsy namiravira ny boriky.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12