lundi 7 mai 2012
Alatsinainy 07 May 2012 - Mat 18 : 15 - 17
15 Ary raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao; 16 fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo (Deo. 19. 15). 17 Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin'ny fiangonana*; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana** koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy. [* Gr. eklesia] [** Gr. eklesia]
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...