dimanche 13 mai 2012
Alahady 13 May 2012 - Mat 5 : 38 - 42
38 Efa renareo fa voalaza hoe: Maso solon'ny maso, ary nify solon'ny nify (Eks. 21. 24). 39 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anareo; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray. 40 Ary izay te hiady aminao ka tahaka ny akanjonao, dia avelao ho azy koa ny lambanao. 41 Ary na zovy na zovy no hanery anao handeha maily* iray, mandehana miaraka aminy maily roa.[*Na: kilometatra] 42 Omeo izay mangataka aminao; ary aza ilaoza-mihodina izay te hisambotra aminao.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...