samedi 26 mai 2012
Sabotsy 26 May 2012 - Mat 15 : 21 - 28
21 Dia niala teo i Jesoa ary nankany amin'ny faritanin'i Tiro sy i Sidona. 22 Ary indro nisy vehivavy kanahanita, avy amin'izany faritany izany, tonga teo amin'i Jesoa sady niantsoantso mafy hoe: Mamindra fo amiko, ry Tompo, Zanak'i Davida o; fa ampahorin'ny demony mafy loatra ny zanako vavy! 23 Tsy namaly teny azy i Jesoa, ka nohatonin'ny mpianany ary nangatahany hoe: Omeo an-dramatoa io izay tadiaviny, satria miantsoantso mafy manjohy antsika izy. 24 Fa novalian'i Jesoa hoe: Tsy nirahina Aho afa-tsy amin'ireo ondry very, dia ny vahoaka Israely! 25 Tonga niankohoka teo anatrehan'i Jesoa anefa ravehivavy ka nanao hoe: Tompo o, ampio re aho!
26 Dia novalian'i Jesoa hoe: Tsy mety raha mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an'ny amboakely. 27 Fa hoy kosa ravehivavy: Marina izany, Tompoko, kanefa na ny amboakely aza dia mba mihinana ny sombintsombiny latsaka avy amin'ny latabatry ny tompony ihany. 28 Tamin'izay dia niteny i Jesoa nanao taminy hoe: Lehibe ny finoanao, ramatoa; aoka ho tonga aminao araka izay irinao. Ary nanomboka tamin'io ora io dia sitrana ilay zanany vavy.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...