mardi 29 mai 2012
Talata 29 May 2012 - Isa 44 : 1 - 5
1. Fa ankehitriny kosa mihainoa, ry firenen'i Jakoba mpanompoko, ry vahoaka Israely izay nofidiko. 2. Izaho TOMPO izay mpanao anao, ka namorona anao hatrany am-bohoka sy manampy anao no indro milaza aminao hoe: Aza matahotra, ry firenen'i Jakoba mpanompoko ilay Jesorona izay nofidiko. 3. Fa hanosaka rano amin'izay mangetaheta Aho sy hampandriaka renirano amin'ny tany mangentana. Hatosako amin'ny zanakao ny Fanahiko ary amin'ny taranakao ny fitahiako. 4. Handrobona toy ny solofom-bolotara na toy ny hazo malahelo eny amoron-drano izy. 5. Ny anankiray hanao hoe: "An'ny TOMPO aho"; ny iray hafa te hitondra ny anaran'i Jakoba. Ny anankiray kosa dia eo amin'ny sandriny no hanoratany hoe: "Fananan'ny TOMPO" sady ny anaran'i Israely no hireharehany.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...