dimanche 1 juillet 2018

Alahady 01 Jolay 2018 - II Sam 12 : 1 - 17

Tsy sitraky ny TOMPO anefa izany nataon'i Davida izany. 1Naniraka an'i Natàna mpaminany ho any amin'i Davida ny TOMPO. Rehefa tonga tany aminy izy, dia nanao taminy hoe:
–Nisy lehilahy roa tao amin'ny tanàna iray, ny anankiray mpanankarena ary ny anankiray mahantra. 2Nanana ondry sy omby marobe ilay mpanankarena; 3fa ilay mahantra kosa tsy nanana afa-tsy ondrivavikely iray izay novidiny. Nofahanany tsara izy io, ka niara-nitombo tamin'ireo zanany tao aminy. Ny sakafo fihinan'ilay mahantra no nihinanany; ny ronono fisotrony no nisotroany; ary teo akaikiny no nampatoriany. 4Indray andro, nandray vahiny ilay manankarena. Tsy mba naka tamin'ireo omby aman'ondriny anefa izy hamahanany azy, fa ny ondrivavikelin'ilay mahantra no nalainy ka namboariny ho an'ilay vahiny.

5Tezitra mafy tamin'izany lehilahy izany i Davida ka nilaza tamin'i Natàna hoe:
–Velona ny TOMPO ka manizingizina aho fa mendrika ny ho faty izay olona nanao izany! 6Ary ny ondrivavikely dia hosoloiny avo efatra heny, satria nanao izany tsy nisy antra izy.

7Dia hoy i Natàna tamin'i Davida:
–Ianao izany olona izany! Koa izao no lazain'ny TOMPO, Andriamanitr'i Israely: «Izaho no nanosotra anao ho mpanjakan'i Israely sady namonjy anao ho afaka tamin'ny famelezan'i Saoly. 8Natolotro hofehezinao ny fianakavian'i Saoly ary nataoko tonga andefimandrinao ny vadiny; natolotro ho eo ambany fahefànao ny vahoakan'i Israely sy i Joda. Ary raha mbola tsy ampy anao izany, dia ho nomeko toy izany ianao. 9Koa nahoana no tsy noraharahainao ny teniko tamin'ny nanaovanao izay ratsy eo imasoko? Nasianao tamin'ny sabatra i Orià ilay Hetita ary nalainao ho vadinao ny vadiny; eny, ianao no nahafaty azy tamin'ny sabatry ny Hamônita. 10Noho izany, dia tsy hiala amin'ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra, satria tsy noraharahainao Aho fa nalainao ny vadin'i Orià ilay Hetita mba ho vadinao. 11Izao no lazaiko aminao: Indro fa hahatonga loza amin'ny ankohonanao Aho. Halàko eo imasonao ireo vadinao ka homeko olon-kafa izay hiray aminy antoandrobenanahary12.11 Jereo 16.21-22.. 12Ary ianao nanao izany tao amin'ny miafina, fa Izaho kosa haneho izany antoandrobenanahary eo imason'i Israely manontolo.»

13Dia hoy i Davida tamin'i Natàna:
–Nanota tamin'ny TOMPO aho.

Ary hoy kosa i Natàna tamin'i Davida:
–Ny TOMPO efa namela ny helokao, ka tsy ho faty ianao. 14Nefa noho ianao nampiteny ratsy ny fahavalon'ny TOMPO tamin'izany nataonao izany, dia ny zanaka izay naterakao no ho faty.
15Dia nody tany an-tranony i Natàna.

Namely aretina ny zaza izay nateraky ny vadin'i Orià tamin'i Davida ny TOMPO, ka dia narary mafy izy. 16Nitalaho tamin'Andriamanitra ho an'ilay zaza i Davida, ka nifady hanina; ary rehefa niditra tao an'efitranony izy nony alina, dia nandry tamin'ny tany. 17Niezaka nankao aminy mba hampiarina azy ireo loholona tao an-dapa, kanefa dia nolaviny; ary tsy nety niara-nisakafo tamin'ireo koa izy.

Ny olona manambara ny marina

1- Mitady ny fomba mahomby hampitana ny hafatra
Tantara an'ohatra milaza lehilahy nanan-karena, tia tena tsy nahafoy ny fananany, fa naka kosa ny zanak'ondry vavy kely tokana an'ilay malahelo no nentin'i Natana nanambara tamin'i Davida ny hafatra nampitondraina azy. Fomba nentin'i Natana namotsipotsitra ny toetra ratsin'i Davida tokony hibebahany izany. Mitady fomba hampitana ny hafatry ny Tompo hatrany ny iraka, na mpaminany natao hilaza ny marina.

2- Mananatra izay te-hitazona ny fahamarinana
Miharihary fa te-hitazona nv fahamarinana i Davida mpanjaka raha naneho ny fahatezerany momba ilay lehilahy manan- karena tia tena. Tsy nisalasala noho izany i Natana mpaminany nanambara taminy fa izy no lazaina amin'izany tantara izany. I Batseba izay vadin' i Oria, vady tokana teo aminy, nokarakarainy fatratra no nalain'i Davida rehefa tsy voafehiny ny filany. Nanao izay ratsy teo imason' Andriamanitra i Davida, izy ny iharan'ny sazy nolazainy.

3- Mampitodika ny olona amin'Andriamanitra
Tsapan'i Davida mpanjaka ny fahadisoany koa nifona tamin'Andriamanitra izy. Nanenina noho ny fahadalany sy ny fitiavan-tena tao aminy. Rehefa tsy manafina ny fahamarinana isika dia tsapan'ny olona tokoa ny fahotany ka mitarika azy hitodika sy hiverina amin'Andriamanitra. Noho izany tadiavo hatrany nv fomba mahomby ahafahanao milaza ny fahamarinan'Andriamanitra.

Fanontaniana :
Manana fahasahiana hambara ny tsy mety ataon'ny mpitondra fantatrao ve ianao ? amin'ny fomba ahoana ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12