mardi 24 juillet 2018

Talata 24 Jolay 2018 - Mat 19 : 30 - 20 : 16

30Maro amin'ireo voalohany no ho farany, ary maro amin'ireo farany no ho voalohany.

1Fa ny Fanjakàn'ny lanitra dia tahaka ny amin'ity lehilahy anankiray tompona tanimboaloboka. Niainga vao maraina be ralehilahy hanakarama mpiasa ho any an-tanimboalobony. 2Ka rehefa nifanekeny denàry anankiray avy isan'andro ireo mpiasa, dia nirahiny hiasa any an-tanimboalobony. 3Niainga indray izy tamin'ny sivy maraina ka nahita mpiasa hafa nidonana-poana teo an-kianja 4ary niteny taminy hoe: «Ndeha koa ianareo miasa any an-tanimboaloboko fa homeko izay karama ara-drariny.» Dia nankany ireo. 5Niainga koa izy tamin'ny 12 antoandro sy tamin'ny telo tolakandro, ary dia nanao toy izany. 6Niainga farany izy tamin'ny dimy hariva ka mbola nahita mpiasa hafa nidonana-poana ary nanontany azy hoe: «Nahoana ianareo no midonana-poana eto mandritra ny andro tontolo?» 7Fa hoy ireo taminy: «Satria tsy nisy nanakarama anay!» Dia hoy ralehilahy taminy: «Ndeha koa ianareo miasa any amin'ny tanimboaloboko.»

8–Nony hariva ny andro, dia hoy ny tompon'ilay tanimboaloboka tamin'ny mpitandrim-pananany hoe: «Antsoy ny mpiasa ary aloavy ny karamany, ka aseseo avy amin'ireo nilatsaka farany ka hatramin'ireo nilatsaka voalohany.» 9Dia tonga ireo nilatsaka tamin'ny dimy hariva ka nandray denàry anankiray avy. 10Tonga kosa ireo nilatsaka voalohany ary nanampo handray bebe kokoa, kanjo denàry anankiray avy ihany koa no voarainy. 11Teo am-pandraisana izany, dia nimonomonona tamin'ny tompon'ilay tanimboaloboka ireto mpiasa ireto 12nanao hoe: «Ireo nilatsaka farany ireo dia ora iray monja no niasany, kanefa nampitovînao karama aminay nisasatra nandritra ny andro sady niaritra ny hafanana.» 13Dia novalian'ilay tompon'ny tanimboaloboka ny anankiray tamin'ireo ka nilazany hoe: «Ry sakaiza, tsy manao zavatra tsy an-drariny aminao aho. Moa tsy denàry anankiray ve no nifanekenao tamiko? 14Raiso ny anao, dia mandehana; fa ilay nilatsaka farany dia tiako homena toraka ny anao koa. 15Tsy azoko anaovana izay tiako ve ny fananako? Sa mialona ianao satria mazava fo aho?»

16Dia nofaranan'i Jesoa hoe:
–Dia toy izany, ny farany ho voalohany ary ny voalohany ho farany!

Marina Andriamanitra amin'ny fìtondrany

1- Mampanao fifanekena amintsika Izy (and.2)
Ny mpanompon'Andriamanitra maharitra sy mitoetra eo amin'ny fanompoana dia olona vita fifanekena tamin' Andriamanitra Tompo. Maliita fifaliana amin'ny fiarahana miasa amin'ny Tompo isika. Mahatoky sy marina ny Tompontsika ka mitandrina ny fanekena nataony sy mitahiry antsika hahita fahombiazana amin'ny fanompoana Azy. Tsy tokony hiala na hanatsoaka ny fanekentsika Azy isika fa tokony hanavao izany isan'andro. Mijery sy manampy antsika ny Tompo noho ny fitiavany antsika.

2- Mampandeha amin'ny marina Izy (and. 14)
Na ny mpanompo nalefa mialoha tany antanimboaloboka na ny mpanompo tsy niasa afatsy ora iray monja dia samy nampandehanin'ny Tompo hiasa avokoa, asa mitovy no nampanaoviny, asan'ny fahamarinany izany. Fitsipika hidirana ao amin'ny f'anjakan'ny lanitra no mivoitra eto. Mandeha amin'ny fahamarinana izay sitraky ny Tompo isika rehefa manompo Azy amin'ny fo. Ka ny fahasoavany no ampiharihariany ny fitiavany ny olona rehetra hovonjena. Manana fandaminana araka ny fombany ny Tompo, marihiny amin'ny hoe : « ny voalohany ho farany, ary ny farany ho voalohany » izany.

Fanonlaniana :
Mahatsapa fifaliana ve ianao rehefa tonga aloha ao ampiangonana ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12