mardi 17 juillet 2018

Talata 17 Jolay 2018 - Eze 34 : 1 - 10

1Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe: 2«Ry ilay taranak'olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao mba hamelezako ireo lehibe mpiandry ny vahoaka Israely, eny, ijoroy ny maha-mpaminany anao ka ampitao aminy fa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia manambara hoe: Lozanareo mpiandry (Araka ny fomba fiteny amin'iny Atsinanana Akaiky iny taloha, ny mpanjaka dia nantsoina hoe mpiandry ny vahoakany (jereo 34.23). Io voambolana io koa anefa dia azo nampiharina tamin'ireo mpiandraikitra sy lehibe isan'ambaratongany avy (jereo Is 56.11; Zak 11.4-17)). ny vahoaka Israely! Fa ny tenanareo ihany no karakarainareo! Moa tsy ny andian'ondry va no tokony hokarakarainareo? 3Nefa tsy mpiandry nikarakara ny andian'ondry ianareo, fa naka ny ronono34.3 ronono: araka ny dkt tranainy grika sy latinina, fa ny RM kosa manao hoe jabora.  ho sakafonareo sy ny volon'ondry hotafinareo sady namono ireo biby matavy. 4Tsy nohatanjahinareo ny ondry osa, tsy nositraninareo ny narary na notsaboinareo ny naratra, tsy naverinareo ny niala tamin'ny andiany ary tsy notadiavinareo ny very, fa nanampatra ny fahefànareo tamin'ny herisetra sy ny fahasiahana ianareo. 5Koa niparitaka ireny ondry ireny satria tsy misy mpiandry, ka tonga rembin'ny bibidia. 6Ireo ondriko andiany dia nirenireny teny an-tendrombohitra sy teny amin'ny havoana; ary niparitaka teny amin'ny velaran-tany manontolo (nirenireny teny an-tendrombohitra sy teny amin'ny havoana: toa misy filazana an-kolaka ny amin'ireo fanompoan-tsampy nataon'ny vahoaka Israely ombieniombieny izany (jereo 6.2-3; sy nta 6.2; 20.20 sns)). –ary niparitaka: filazana an-kolaka ny fahababoana. izy satria tsy nisy niahy na nandeha nitady azy. 7Koa ianareo mpiandry ny vahoaka Israely, mihainoa ny teniko: 8Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy nisy mpiandry azy ny andian'ondriko ka lasan'ny mpangalatra sy zary rembin'ny bibidia rehetra. Ireo mpiandry ny ondriko manko tsy miraharaha ny ondry sady tsy mikarakara azy fa ny tenany no karakarainy. 9Noho izany, dia henoinareo ny teniko ry mpiandry ny vahoaka Israely. 10Izao no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY: Mampitandrina anareo mpitondra Aho fa hisampotina hamely anareo; ka hampamoahiko ny amin'ny ondriko ianareo ary hoesoriko tsy hiandry azy intsony; tsy ianareo mpikarakara tena intsony no hikarakara azy. Hoesoriko eo am-bavanareo ny andianondriko ka tsy ho azonareo hatao sakafo intsony.

Mandray antanana ny ondry natao tsirambina ny Tompo. Toy ny ondry tsy nisy mpiandry no filazany azy.

1- Hatao hampamoaka ny mpiandry ondry
 "Indro avy hamely mpiandry ondry Aho dia hampamoahiko ny amin'ny ondriko izy..." (and. 10a). Sarin'ny mpitondra ny vahoaka Isiraely ny mpiandry ondry eto. Tsy mba nikarakara ny vahoaka ka hanadina azy ireo Andriamanitra noho izany. Naharihariny ny fahadisoany (and.l-6). Tsy niandry, tsy nikarakara ny ondry izy ireo. Mbola misy ankehitriny izany. Ny vahoaka no tokony harovana amin'ny fahavalo fa tsy ny mpitondra no manao ny vahoaka ho mpiaro azy. (vakio Jaona 10. 27-28)

2- Hesorina tsy hiandry ny ondry intsony
« ...ka hesoriko tsy hiandry ny ondriko intsony ;... fa hovonjeko eo amin'ny vavany ny ondriko... » (and. 10b). Mitsara ny mpiandry ondry ny Tompo (and.7-10). Manapa-kevitra tsy hametraka mpiandry ondry mamahan-tena toy izany intsony ny Tompo ka hesoriny ireny. Mamonjy ny ondriny tokoa Izy ka nanolotra ny ainy. Notanterahin'i Jesoa Kristy ho antsika ny famonjena ka voavonjy isika. Izy no Mpiandry Tsara nanolotra ny ainy ka saro-piaro amin'ny olona novonjeny. Tsy homeny anjara fiandrasana intsony ny mpiandry ondry manao antsirambina ny asany. Izay tia Azy dia manatanteraka ny teniny. (vakio Jaona 21. 15-19)

Fanontaniana :
Manana ondry andrasana ve ianao ?


Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12