lundi 16 juillet 2018

Alatsinainy 16 Jolay 2018 - II Kor 5 : 16 - 21

16Ka hatramin'ny naha kristianina anay, dia tsy mihevitra na iza na iza araka ny fisainan'olombelona intsony izahay. Na dia nihevitra an'i Kristy araka ny fisainan'olombelona aza izahay fahiny, dia tsy manao toy izany intsony ankehitriny. 17Raha misy olona tafaray amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra tranainy, ary efa mby eo ny zavatra vaovao. 18Izany rehetra izany dia avy amin'Andriamanitra, Izay nampihavana antsika aminy indray tamin'ny alalan'i Kristy sady nanome anay ny fanompoana hitaona ny hafa hihavana aminy. 19Eny, Andriamanitra tsy nitana ny fahotan'ny olona fa nampihavana ny olona rehetra aminy indray tamin'ny alalan'i Kristy (Eny... tamin'ny alalan'i Kristy: dkt hafa Andriamanitra dia tao amin'i Kristy, ka nampihavana ny olona rehetra aminy indray ary tsy nitana ny fahotany.); ary efa napetrak'Andriamanitra taminay izany teny mitory fampihavanana izany.

20Koa dia iraka solotenan'i Kristy izahay, ka tahaka ny hoe Andriamanitra mihitsy no mananatra anareo amin'ny alalanay. Solotenan'i Kristy izahay no miangavy anareo hoe: meteza hampihavanina amin'Andriamanitra ianareo. 21Tsy mba nanota na oviana na oviana i Kristy, nefa ny otantsika dia nampitondrain'Andriamanitra Azy ho famonjena antsika, mba hahatonga antsika handray ny fahamarinana omen'Andriamanitra noho ny firaisana amin'i Kristy.

Ny kristiana dia mpanaradia an'i Jesoa Kristy. Izay làlana nosoritan'ny Tompo no alehany. Manaraka ny teniny sy ny atorony ireo. Manana anaram-baovao ireo eto.

1- Olombaovao noho ny fahamarinan'i Kristy
Jesoa Kristy no nampihavana antsika tamin' Andriamanitra sady nahatanteraka fampihavanana antsika samy olombelona tamin'ny nanolorany ny tenany teo amin'ny hazo fìjaliana. Miantso sy maniraka antsika Izy mba hitondrantsika ny teny fampihavanana ka hanaovantsika ny fanompoana fampihavanana. « Raha misy oìona ao amin'i Kristy dia olombaovao izy » (17). Tsy maintsy mitory ny fahamarinana isika, dia ny tenin' Andriamanitra izay mitondra fanovàna ny fiainantsika. Manavao sy miteraka antsika ho olombaovao ny teny fampihavanana.

2- Fahamarinan'Andriamanitra ao Aminy
Ny fitiavan'Andriamanitra no fototra namonjena antsika tamin'ny fangejan'ny fahotana sy ny faharatsiana. Ny tenan'i Jesoa Kristy tsy nanota no natolony hisolo ny tenantsika vesaran'ota. Nesoriny sy nentiny ny otantsika mba hovonoina teo amin'ny hazo fijaliana. Izy no maty mba ho velona isika. Afaka sy nohamarininy isika rehefa nanaiky Azy ho Tompo sy Mpamonjy ary miverina ao Aminy indray mba hankato ny teniny sy hitandrina ny didiny.

Fanontaniana :
Manaiky ho kristiana iraka hanohy ny fanompoana fampihavanana ve ianao ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12