vendredi 27 juillet 2018

Zoma 27 Jolay 2018 - Mat 5 : 31 - 37

31–Efa voalaza koa hoe: «Izay lehilahy manary ny vadiny dia aoka hanome taratasy fisarahana ( Deot 24.1.)!» 32Izaho kosa milaza aminareo hoe: izay lehilahy manary ny vadiny, afa-tsy noho ny fifandraisana mamoafady (fifandraisana mamoafady: izany no nandikana ny voambolana grika hoe porneia. Maro ny fomba azo ivoaboasana sy anazavana izany araka ny fiangonana isan-tokony, kanefa anisan'ny tafiditra ho fifandraisana mamoafady ny fanambadiana mifotitra sy ny fanambadian'olom-pady toy ny voatanisa ao amin'ny Lev 18.6-18. Jereo koa Mt 19.9; Asa 15.20,29; 1Kôr 5.1; ampit Mk 10.9.), dia mandrisika azy hanitsakitsa-bady; ary izay lehilahy hampakatra vehivavy nariana dia maka vadin'olona.

Hazavain'i Jesoa ny hoe: «Aza mianiana tsy to»
33–Efa renareo koa fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: «Aza mivadika amin'ny teny napetrakao tamin'ny Tompo fa tanteraho ny teny napetrakao (Jereo Lev 19.12; Nom 20.3; Deot 23.22-24.)!» 34Izaho kosa milaza aminareo hoe: aza mianiana mihitsy! Aza mianiana: na amin'ny lanitra, satria sezafiandrianan'Andriamanitra izany; 35na amin'ny tany, satria fitoeran-tongotr'Andriamanitra izany; na amin'i Jerosalema, satria tanànan'ny mpanjaka lehibe izany; 36na amin'ny lohanao, satria tsy hainao ny mahafotsy na mahamainty singam-bolo iray akory. 37Fa aoka ny teninareo, rehefa eny, dia ho eny; rehefa tsia, dia ho tsia; ny ankoatra izany kosa dia avy amin'ilay Ratsy.

Ny fahamarinana asaina hiainana manomboka ao antokantrano.

1- Marin-toerana ny tokantrano
Tsy ankasitrahan'ny Tompo mihitsy ny fisaraham- panambadiana na inona na inona no antony, saingy nekeny ihany raha noho ny fijangajangana satria efa nisy lalàna (Deo. 24, 1). Izany anefa dia vokatry ny tsy fahamarinan-toeran'ny tokantrano. Tso-drano nomena ny hoe : « marena tokantrano » fa firy no mametraka tokoa ny tokantrano ho marin-toerana ka tsy mizotra amin'ny fisaraham-panambadiana ? Irina fatratra ho maro izany. Ny tsy fífampitokisan'ny mpivady no olana voalohany mampiditra izany ka manimba ny tokantrano. Aoka ary hiverina hifampatoky ny mpivady, tsy hifamitaka fa hifananipy sy hifankatia manaraka ny Tenin'Andriamanitra.

2- Mandeha amin'nv fahamarinana
Ny fianianana dia nataon'ny olona hampidirana an'Andriamanitra ho vavolombelon'ny zavatra lazainy ka na tsy marina aza dia aleony miandry ny vokany eo. Manome didy tsy hanaovana intsony fianianana ny Tompo satria ny fahamarinana tsy mba azo havadibadika. Tsotra ny fanapahan-kevitra nampianarin'ny Tompo : « Fa aoka ny teninareo ho Eny, ény; Tsia, tsia ; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin'ny ratsy » (and.37).

Fanontaniana :
Manao ahoana ny tokantrano misy antsika ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12