jeudi 26 juillet 2018

Alakamisy 26 Jolay 2018 - Jak 5 : 1 - 6

1Mihaino ahy izao ianareo mpanankarena! Mitomania sy mitolokoa noho ny loza midona aminareo. 2Ny harenareo efa lo ary ny fitafianareo efa lanin'ny kadradraka. 3Ny volamena sy volafotsinareo efa harafesina (and 2-3: ampit Mt 6.19.), ary ny harafesiny dia vavolombelona hiampanga anareo sady handany ny nofonareo toy ny afo. Izao efa andro farany izao no nanangonanareo harena. 4Tsy voaloanareo akory ny karaman'ireo mpiasa nijinja ny taninareo (Ampit Lev 19.13; Deot 24.14-15.), ka mitaraina ireo; ary ny fitarainan'ireo mpijinja dia efa mby ao an-tsofin'ny Tompon'izao rehetra izao. 5Niampoka ny soa sady niliba ianareo fahavelonareo tetỳ an-tany, ka dia efa nanatavy tena mba hajedaka amin'ny andro voatendry. 6Nohelohinareo ny olo-marina sady novonoinareo, nefa tsy manohitra anareo (ny olo-marina, nefa tsy manohitra anareo: dkt hafa ny olo-marina, ka tsy toherin'Andriamanitra ve ianareo?) .

« Efa nanameloka namono ny marina ianareo ; fa tsy manohitra anareo izy » (and.6)
Ny fijoroantsika manahaka ny Tompo

1- Anekena na fanamelohana sy famonoana aza
Tonga mpandresy tahaka an'i Jesoa Kristy isika raha mihazona mafy ny teny fahamarinana ao Aminy. Izy no hanamarina na iza na iza hiampanga ny olomboafidiny. Efa notanterahin'i Jesoa avokoa ny ady mampitondra fahoriana eto amin'izao tontolo izao ka nametrahany fampanantenana hoe «matokia» ! Manaiky ho maritiora na vavolombelona ny mpitory ny filazantsaran'ny famonjena satria hiatrehana zava- tsarotra izany. Aoka ialàna ireo toetra mifanohitra amin'izany fa tsy ahatanterahantsika ny sitrapon'ny Tompo. Toetra feno tsy fahamarinana hita amin'ny and. 1 -6

2- landrasana ny baikon'ny Tompo Jesoa
Manazatra ny zanany amin'ny fomba amam-panaony ny ray amandreny rehetra. Ny Tompontsika koa maneho fanazarana antsika hanao ny marina ao amin'ny Soratra Masina. Tsy nanohitra ireo mpampahory sy mpampijaly tokoa i Jesoa mba hahavitan'ny famonjena tamin'ny nanolorany ny tenany ho sorona. Ampianariny hiandry sy hatoky Azy isika ary manome baiko Izy toy ny hoe : « aza manahy izay havalinareo, na izay holazainareo» (Lio. 12,11). Finoana sy fahatokiana tanteraka Azy no tadiaviny koa aoka hanam-paharetana isika amin'ny fijoroana marina.

Fanontaniana :
Efa misy toetran'ny Tompo tahafinao ve ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12