jeudi 12 juillet 2018

Alakamisy 12 Jolay 2018 - II Tim 2 : 14 - 21

14Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan'Andriamanitra izy mba tsy hiady teny; satria tsy mahasoa izany, fa mamohehatra ny mpihaino aza. 15Mikeleza aina mba ho olona voazaha toetra eo imason'Andriamanitra, ka ho mpiasa tsy mahazo henatra amin'ny asany, mamoaka tsara ny teny momba ny fampianarana marim-pototra. 16Halaviro ny taria poaka àty sady manazimba fivavahana; fa ny mpanao ireny dia vao mainka handroso amin'ny haratsiam-panahy. 17Ary ny fampianaran-dry zareo dia toy ny vay homamiadana mandany ny nofo. Isan'ireny ry i Himeneo sy i Fileto (Himeneo: jereo 1Tim 1.20.): 18efa nivaona niala tamin'ny fampianarana marim-pototra izy roa lahy sady manimba ny finoan'ny sasany, raha milaza fa zavatra efa tanteraka sahady ny fitsanganantsika ho velona. 19Kanefa ny fanorenana mafy nataon'Andriamanitra dia miorina tsara sady voasokitra eo ny teny hoe: «Fantatry ny Tompo ireo Azy (Ampit Nom 16.).» sy ny hoe «Aoka hiala amin'ny ratsy avokoa ny olona rehetra mitonona ho mpanaja ny Tompo!»

20Tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao anaty lapa soa anankiray fa misy fanaka hazo sy tanimanga koa; iretsy voalohany dia fanaka mihaja fa ireto faharoa kosa dia fanaka tsotsotra. 21Izay olona miezaka hadio fo ka miala amin'ireo haratsiana ireo dia ho tahaka ny fanaka mihaja, satria voatokana ho an'ny Tompo izy sady misy ampiasany azy ary voavoatra hanao asa soa isan-karazany.

Mpino vavolombelona ny fahamarinana

1- Mahay mitondra tena tsara
Noho ny fisian'ny fampianaran-diso mitady hanakorontana ny fiainan'ny fiangonana dia nananatra an'i Timoty i Paoly Apostoly. Tarihina mba itondra tena tsara, miaina amin'ny fiainana kristiana, mizotra amin'ny làlana marina sy mahitsy. Manoloana ireo karazan'olona samihafa dia ilaozana ny ady hevitra tsy mampandroso. Mila mijoro tsara amin'ny asa fanompoana niantsoa azy i Timoty ka manao ho zava-dehibe ny fampianarana marina miorina amin'ny Tenin'Andriamanitra. Rehefa zaraina ny fampianarana marina araka ny tenin'ny fahamarinana. Miaina mifanaraka amin'izany ny mpino dia ho resy tosika ny fampianaran-diso

2- Ho toy ny fanaka volamena
Ireo karazana fanaka ao an-trano no nentin'i Paoly naneho ny anjara toerana misy ny sokajin'olona tsirairay. Ny mpino dia ny toy ny fanaka volamena. Izay mitondra fampianaran-diso dia toy ny fanaka vita tamin'nv tanimanga. Miavaka tsara ireo fanaka ireo araka ny anjara manandrify azy. Fanaka omem-boninahitra ireo vita tamin'ny volamena, miavaka satria efa voadion'ny ràn'i Jesoa Kristy, manana fitondrantena mihaja, manalavitra ny ota. Fiasàna tsara eo am-pelatanan'ny Tompo ka na ny fitenin'izy ireo aza dia fampiononana, fankaherezana. Halam-baraka kosa ireo vita tamin'ny tanimanga satria feno avonavom-panahy, tsy manana teny fahamarinana, manao fanontaniana adaladala mahatonga ady.

Fanontaniana :
Ahoana no fomba entinao miala na manohitra ny fampianaran-diso ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12