mercredi 25 juillet 2018

Alarobia 25 Jolay 2018 - Isa 56 : 1 - 2

1Izao no lazain'ny TOMPO:
«Tandremo ny rariny ka manaova ny marina,
satria akaiky ho tonga ny famonjeko
ary efa hiharihary ny fanafahako.
2Sambatra ny olona manatanteraka izay lazaiko
sy mifikitra mafy amin'izany,
ka mitandrina ny sabata fa tsy manimbazimba azy,
ary mitandrina ny tanany tsy hanao ratsy.»

Ny famonjena izao tontolo izao no entin'ny mpaminany Isaia ka hanehoany fiainam-baovao ho an'ny olona mitandrina ny rariny sy manao ny marina. Ny fahasambarán'izay manao izany no lazainy eto.

1- Mitàna ny marina mahavonjy
Manomana ireo avy any am-pahababoana ho amin'ny fanomezan-toky, dia ny fisehoan'ny famonjena ny Tompo nefa tsy tena famonjena ny olona rehetra no hambarany eto. Izay mitàna ny marina no handray ny famonjena notanterahin'i Jesoa Kristy tety antany. Ny fahamarinan' Andriamanitra dia mitondra fahasambarana ao amin'izay mankatoa ny didiny ary manao ny marina mandrakariva. Tsy ny andro natokana hivavahana no zava-dehibe fa ny toe-po hoetina manompo an'Andriamanitra. Ny finoana hanatanterahana ny asa fanompoana nomeny ho vitaina.

2- Miaro ny tànany tsy hanao ratsy
Tsy afaka manao fítan-droa isika, « tsy olona mahay manompo tompo roa » (Mat.6, 24); « aza mirehareha na mandainga hanohitra ny marina » (Jak.3, I4b). Koa aoka isika hiaro ny tenantsika manontolo tsy hanao ratsy fa hanao ny tsara sy ny marina ankasitrahan'ny Tompo. Fanolorantena hanompo ny Tompo amin'ny fo madio sy marina no hahazoana ny famonjena mampiditra ao amin'ny fiainam-baovao, dia fahasambarana izany. Fiainana hisantarana sahady ny fiainan-danitra na mbola eto antany ihany aza isíka.

Fanontaniana :
Notananao ve ny famonjena mitondra fiainambaovao sy fahasambarana? Hifampizarao.


Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12