dimanche 29 juillet 2018

Alahady 29 Jolay 2018 - Sal 71 : 14 - 24

14Izaho kosa hanantena Anao lalandava,
ary hampitombo ny fiderana Anao;
15isan'andro no hitanisan'ny vavako
ny fahamarinanao sy ny famonjenao,
na tsy voaisako avokoa aza ireny.
16Tompo ANDRIANANAHARY ô, hiditra ao an-tranonao aho,
satria Ianao nirotsaka an-tsehatra nomba ahy;
ary dia ny fahamarinanao irery no hotsahiviko.

17Hatry ny fony aho mbola tanora
no efa nampianarinao, Andriamanitra ô;
ary mandraka izao dia tsy mitsahatra
manambara ireo asanao mahagaga.
18Antitra sy fotsy volo aho ankehitriny,
nefa aza afoy, Andriamanitra ô;
enga anie aho ho afaka hanambara
ny asanao mahery vaika sy mahomby
amin'ireo tanora sy ny taranaka manaraka!
19Ambony dia ambony tokoa
ny fahamarinanao, Andriamanitra ô;
ary nahavita zava-baventy Ianao!
Tsy misy toa Anao, Andriamanitra ô.
20Fahoriana be sady mafy
no navelanao hihatra tamiko;
kanefa hovelombelominao indray aho,
ary hampiakarinao indray ho afaka
amin'ny fasana mampihitsoka.
21Dia mbola hampionona indray Ianao
ary hamerina amiko ny voninahitro.
22Izaho kosa hidera Anao amim-baliha
noho ny toetranao mahatoky, ry Andriamanitro ô,
sy hiredona salamo arahin-dokanga
ho Anao, ry ilay Masin'i Israely.
23Eny, hihorakoraka hihoby ho Anao aho
sady hankalaza Anao amin-java-maneno,
satria efa notsimbininao ny aiko.
24Isan'andro no hitanisako ny fahamarinanao,
satria efa menatra sy mangaihay
ireo olona nitady hanisy ratsy ahy.

Ny fizarana ho fitoriana ny fahamarinana

1- Ilazana ny asa lehibe nataon'ny Tompo
Nahatsapa ny famindrampon'Andriamanitra teo amin'ny fiainany ny mpanao salamo. Zava-dehibe loatra taminy ny famonjeny azy ka miloatra avy ao ampony ny filazana ny sandrin' Andriamanitra (and.18) ho an'ny taranaka mbola ho avy. Ny mpino kristiana raha midera ny Tompo dia sahy milaza ny asa lehibe nataony tahaka izany koa ao amin'ny tononkirany. Mampirisika antsika hanohy ny fitoriana ny filazantsaran'ny famonjena, dia filazana izay nataon'i Jesoa Kristy ho antsika hatramin'ny taranaka fara- mandimby.

2- Ilazana ny Tompo amin'ny fahamarinany
«Ary mihatra amin'izay avo indrindra ny fahamarinanao, Andriamanitra ó... iza no tahaka Anao?» (and.19) Indro manao fanekem-pinoana ny mpanao salamo ary milaza an'Ilay Andriamanitra miasa ao amin'ny fiainany ka na misy zava-tsarotra nolalovany aza dia natoky Azy izy fa « hampiakatra » (and.20) azy indray. Miankina tanteraka amin'ny fahamarinan'Andriamanitra ny fiainany ka mijoro vavolombelon'izany izy. Isika koa aoka hanao tahaka ny mpanao salamo amin'ny fitoriana ny filazantsara fa Marina sy fahamarinana ny Tompontsika, Izay ekentsika harahina mandrakizay.

Fanontaniana :
Vonona hijoro vavolombelon'ny fahamarinana ve isika ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12