samedi 21 juillet 2018

Sabotsy 21 Jolay 2018 - Jao 7 : 14 - 19

14Teo antenatenan'ny fankalazana, dia niakatra tao an-kianjan'ny tempoly i Jesoa ka nampianatra.

15Dia gaga ny manampahefana jiosy ka vaky vava hoe:
–Ahoana no ahaizan'ilay io Soratra Masina, nefa tsy mba nianatra Izy (Ampit Mt 13.54; Lk 2.47.?)

16Fa novalian'i Jesoa hoe:

–Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'Ilay naniraka Ahy. 17Raha misy olona te hanao ny sitrapon'Andriamanitra, dia hahalala ny amin'ny fampianarako izy, na zavatra avy amin'Andriamanitra izany na zavatra teneniko avy amiko fotsiny. 18Izay miteny zavatra avy amin'ny tenany fotsiny dia mitady ny voninahitra ho an'ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr'ilay naniraka azy no azo antoka sady tsy misy fitaka ao aminy. 19Moa tsy nomen'i Mosesy anareo ve ny lalàna? Kanefa tsy misy aminareo manatanteraka ny lalàna! Nahoana Aho no tadiavinareo hovonoina?

« ... fa izay mitady ny voninahitr 'lzay naniraka Azy no marina... » (and. 18b). Ny fampianarana feno fahamarinana dia :

1- Mampianatra avy amin'ny Soratra Masina
Ny Soratra Masina manontolo dia nomena antsika mba handraisantsika ny fampianarana sy ny fananaran'ny Tompo, dia ny famonjena antsika ho afaka amin'ny ratsy rehetra. Ny fampianarana nentin'i Jesoa no manafaka sy mampandresy ny olony satria fampianarana feno izany. Voalaza ao na ny ara-batana na ara-tsaina na ny ara-panahy. Mendrika hampamirapiratra ny voninahitr'Andriamanitra ny fanarahantsika ny Teniny, ny fanaovantsika ny sitrapony sady mamindra hery sy aina vaovao ao anaty izany.

2- Mampijoro ho mpanompon'ny fahamarinana
Manao ezaka manokana ny fariseo tamin'ny fitandremana ny didin'Andriamanitra mba hanavaka azy ho masina. Jesoa Kristy kosa nampiharihary ny fahamasinan' Andriamanitra tamin'ny fampianarana ny Teniny. Ny fampiharana izay lazain'nv Soratra Masina sy ny hafatry ny Tompo no manova antsika hanam-pahamasinana. Manompo an'Andriamanitra sy ny Teny fahamarinany izay manaiky hiara-miasa Aminy hizara sy hampiely ny Filazantsaran'ny famonjena. Aoka handroso hatrany ny fampianarana Soratra Masina ao ampiangonana.

Fanontaniana :
Manao ahoana ny fitiavanao mianatra sy mampianatra Soratra Masina ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12