mardi 3 juillet 2018

Talata 03 Jolay 2018 - Mar 6 : 14 - 20

14Nandre ny resadresaka maro i Herôda mpanjaka satria efa niely ny lazan'i Jesoa; fa hoy ny olona sasany:
–I Jôhany Mpanao batisa, ilay efa maty io, fa velona indray, ka izany no ananany hery ahavitany asa mahagaga.

15Hoy kosa ny sasany:
–I Elià io!

Ary hoy indray ny hafa:
–Mpaminany io, tahaka ny anankiray tamin'ireo mpaminany fahizay.

16Dia hoy i Herôda rehefa nandre izany:
–I Jôhany Mpanao batisa izay, ilay efa nasaiko notapahina iny ny lohany, kanefa dia izany izy velona izany indray!

17Ny tenan'i Herôda mihitsy manko no naniraka olona hisambotra an'i Jôhany, ary nampigadra azy tao am-ponja. Ny antony dia ny amin'i Herôdiada, vadin'i Filipo rahalahiny, nefa nalain'i Herôda ho vady. 18Fa hoy i Jôhany tamin'i Herôda:
–Tsy azonao atao ny maka ny vadin'ny rahalahinao (Jereo Lev 18.16; 20.21.).

19Dia nanao otri-po tamin'i Jôhany i Herôdiada ka nifofo ny ainy, saingy tsy afa-nanoatra. 20Natahotra an'i Jôhany i Herôda satria hitany fa lehilahy mandala ny rariny sady masim-pitondrantena i Jôhany ka narovany. Isaky ny nihaino azy i Herôda, dia sahiran-tsaina mafy, nefa dia nahafinaritra azy ny nihaino azy.

Ny olona marina

Tantaran'I Jaona Mpanao batisa no hitantsika. I Jaona ilay sahy nilaza sy nanambara hatrany ny fahamarinana.

1- Misy mpanenjika
Tsy nisalasala i Jaona mpanao Batisa nananatra an'i Heroda, fa diso izy raha manambady an'i Herodiasy vadin'ny rahalahiny. Tsy faly noho izany i Herodiasy ka nitady ny fomba rehetra hamonoana an'i Jaona mpanao Batisa. Tanteraka tokoa izany faniriany izany. Tsarovy fa tsy mora ny maneho ny fahamarinana. Misy hatrany ny sokajin'olona manohitra ny marina, manenjka, eny mikendry mihitsy aza ny hahafaty. Tsy mahazaka ny fahamarinana ny olona maro. Matokia anefa, aza matahotra fa raha mijoro hatrany hilaza ny marina sy hanao ny marina isika dia Andriamanitra no homba sy hiaro antsika. Tsarovy fa ny marina tsy ho resy.

2- Atahoran'ny olona
Na dia teo aza nv fikasan'i Herodiasy ahafaty an'i Jaona mpanao batisa dia feno tahotra ihany i Heroda ka nitady ny fomba rehetra hiarovana azv. Ny asa rehetra nataon'i Jaona no nahatsapan'i Heroda fa olona marina sy masina izy. Natahotra an'i Jaona noho izany i Heroda. Noho izany tahotra izany no nahatonga an'i Heroda nihevitra fa i Jaona no nitsangana tamin'ny maty ka manao asa lehibe indray, rehefa nandre ny amin'i Jesoa izy. Miseho amin'izany fa ny olona marina dia tsy maty ao am-pon'ny olona hatrany rehefa misy toe-javatra mitranga ao amin'ny fiaraha-monina. Mazotoa manao ny marina.

Fanontaniana :
Iza no olona manao ny marina mba tsarovanao ? Inona no fianarana raisinao avy aminy ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12