lundi 30 juillet 2018

Alatsinainy 30 Jolay 2018 - I Pet 3 : 14 - 17

14Raha tàhiny manao ny marina aza ianareo no ampahorîna, dia sambatra. Aza matahotra izay fandrahonan'ny olona, ary aza mangorohoro amin'izany; 15fa i Kristy no hajao ho Tompo ao am-ponareo(Raha tàhiny... sambatra: ampit Mt 5.10. –and 14-15: ampit Is 8.12-13.). Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay rehetra manontany anareo ny amin'ny fanantenana ao anatinareo, 16saingy ataovy amin-kalemem-panahy sy amim-panajana izany. Manàna fieritreretana mahitsy; ka rehefa misy zavatra anendrikendrehana anareo, dia ho menatra izay mpanaratsy ny fitondrantena tsara anentanan'i Kristy anareo. 17Eny, raha izany no sitrapon'Andriamanitra, dia aleo mitondra fahoriana amin'ny fanaovan-tsoa toy izay amin'ny fanaovan-dratsy.

Sambatra isika !
Nahoana tokoa moa no ambara sy lazaina fa sambatra isika ?

1 - Satria miaraka amin'i Jesoa Tompontsika
«Fa manamasina an 'i Kristv ho Tompo ao am- ponareo » (and.15), izay efa nananaran'ny mpaminany ny Isiraely fahizay (Isa.8, 13), dia hamafisin'ny Apostoly Petera eto mba tsy ho hadinoina ny Tompo. Izy tokoa no mandray ny fon'izay mino Azy ary manaiky hiditra ka hanome fiadanam-po, fitoniana amin'ny tebiteby sady hamonjy. Raha Izy tokoa no noraisintsika ary nekentsika hanapaka ny fíainantsika dia ahatsapa ny fomban'ny sandriny mahery isika. Koa avelao ny Fanahiny Masina hitarika antsika amin'ny marina rehetra.

2 - Satria manaraka ny sitrapon'ny Tompo
Efa tenin'i Jesoa ny fanomezan-toky antsika mpino kristiana momba ny fahoriana ka nilazany hoe «matokia, Izaho efa naharesy izao tontolo izao» (Jao.16, 33). Nandresy Izy ka entiny handresy miaraka Aminy isika mino sady hampianariny handeha amin'ny fahamarinany tokoa. Teny fahamarinana no ilazana ny sitrapon'Andriamanitra ao amin'ny Soratra Masina koa aoka hifikitra hankatoa ny teniny isika isan'andro. lzany no manao ny sitrapony.

Fanontaniana :
Tsapanao ve ny fahasambarana omen'ny Tompo eo amin'ny fiainantsika ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12