samedi 19 octobre 2019

Sabotsy 19 Oktobra 2019 - Jao 9 : 8 - 17

8Tamin’izay ireo mpiara-monina aminy sy ireo olona nahita fa mpangataka izy taloha, dia nanao hoe:
–Tsy ity ve ilay nipetraka nangataka?

Ka hoy ny sasany:
–Izy io!

9Fa hoy ny sasany:
–Tsia, fa olona mitovy aminy!

Ralehilahy kosa nilaza hoe:
–Izaho mihitsy ity!

10Dia hoy ny olona taminy:
–Fomba ahoana àry no nahiratan’ny masonao?

11Fa novaliany hoe:
–Ilay Lehilahy atao hoe Jesoa no nanao feta sy nanosotra ny masoko, dia nanao tamiko hoe: «Ndeha ianao mankany amin’ny dobo Silôà, dia misasà maso.» Koa lasa nankany aho, dia nisasa maso ary nahiratra.

12Dia hoy ny olona taminy:
–Aiza moa izany Lehilahy izay?

Fa novaliany hoe:
–Tsy fantatro!

13Dia nentin’ny olona tany amin’ny Farisianina ilay jamba taloha. 14Andro sabata no nanaovan’i Jesoa ny feta sy nampahiratany maso azy; 15koa ireo Farisianina indray no nanontany ilay jamba taloha ny amin’ny fomba nahiratany, ary izao no navaliny:
–Nasiany feta ny masoko, dia nisasa maso aho ka nahiratra!

16Tamin’izay ny sasany tamin’ireo Farisianina dia nanao hoe:
–Tsy avy amin’Andriamanitra izany Lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny fepetra momba ny sabata!

Ny sasany kosa nanao hoe:
–Fomba ahoana moa no ahafahan’olona mpanota manao famantarana toy ireny?

Dia nisara-tsaina ry zareo. 17Ary hoy indray ireto Farisianina tamin’ilay jamba:
–Ianao kosa, ahoana no mba ilazanao Azy, raha nampahiratra ny masonao Izy?

Ka novaliany hoe:
–Mpaminany Izy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12