vendredi 18 octobre 2019

Zoma 18 Oktobra 2019 - I Sam 19 : 19 - 24

19Nisy nanambara tamin’i Saoly fa ao Naiôta akaikin’i Ramà i Davida. 20Dia naniraka olona indray i Saoly hisambotra an’i Davida. Rehefa hitan’izy ireo anefa ny andiana mpaminany izay tarihin’i Samoela fa tsindrian-daona maminany, dia nohetsehin’ny Fanahin’Andriamanitra ireto irak’i Saoly, ka nanomboka naminany koa. 21Raha vao ren’i Saoly izany vaovao izany, dia naniraka olon-kafa izy, nefa tsindrian-daona naminany ihany koa izy ireo. Naniraka andiany fahatelo indray i Saoly, ary dia mbola toy ny teo aloha ihany no niseho. 22Farany dia izy tenany mihitsy no nankany Ramà. Rehefa tonga teo amin’ny lavaka lehibe famorian-drano akaikin’i Sekò izy, dia nanontany hoe:
–Aiza moa i Samoela sy i Davida?

Ka hoy ny navalin’ny olona azy hoe:
–Any Naiôta, akaikin’i Ramà.

23Dia lasa nankany Naiôta akaikin’i Ramà i Saoly. Teny an-dalana dia tonga taminy ny Fanahin’Andriamanitra, ka tsindrian-daona naminany mandra-pahatongany tany Naiôta izy. 24Nanala ny fitafiany tahaka ireo hafa izy, dia mba naminany teo anatrehan’i Samoela ihany koa, ary nidaboka tamin’ny tany sady nitanjaka iny andro sy alina manontolo izy. Izany no nanaovan’ny olona hoe: «Mba tonga anisan’ny mpaminany koa ve i Saoly?»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12