samedi 26 octobre 2019

Sabotsy 26 Oktobra 2019 - Jer 14 : 15 - 22

15Koa Izaho TOMPO no milaza ny amin’ireo mpaminany ireo hoe: Tsy naniraka azy Aho nefa nihambo haminany amin’ny anarako izy fa tsy hisy ady na mosary na areti-mandringana eto amin’ity tany ity. Koa ny ady sy mosary tokoa no handringana azy hatramin’ny farany. 16Ary ny vahoaka izay naminaniany koa dia hitsitra eny an-dalamben’i Jerosalema noho ny ady sy ny mosary ka tsy hisy handevina ireo olona ireo, na ny vadiny na ny zanany lahy na ny zanany vavy. Izany no hanatsingerenako aminy ihany ny ratsy nataony.

17Izao kosa no teny holazainao aminy:
Ny masoko anie hijononoka ranomaso
andro aman’alina tsy an-kiato,
satria goavana ny fahavoazan’ny vahoakako
ary mafy dia mafy tokoa ny ratra nahazo azy.
18Raha mivoaka eny an-tsaha aho,
dia ireo matin-tsabatra no hitako;
raha miditra an-tanàna aho,
dia ireo matin’ny mosary no hitako.
Ny mpaminany sy ny mpisorona
dia mivezivezy eo amin’ny tany,
fa tsy mahalala na inona na inona.
(Ny vahoaka)
19Tompo ô, efa narianao tokoa ve i Joda?
Efa naharikoriko Anao ve i Tsiôna?
Nahoana no mikapoka mafy anay Ianao
ka tsy misy mahasitrana anay?
Nanantena fiadanana izahay
kanjo tsy nisy soa akory,
ary niandrandra fotoam-pahasitranana
kanjo indro zava-mahatahotra.
20TOMPO ô, ekenay ny faharatsianay
sy ny fahadisoan’ny razanay
fa efa nanota taminao izahay.
21Noho ny lazanao, dia aza hamavoina izahay
ary noho ny sezafiandriananao be voninahitra
dia aza atao tsinontsinona izahay.
Tsarovy ka aza itsoahanao
ny fanekempihavanana nataonao taminay.
22Moa misy mahalatsaka orana ve
ny sampin’ireo firenen-kafa?
Moa ny lanitra va mampirotsaka oram-baratra
fa tsy Ianao, ry TOMPO Andriamanitray?
Koa mitoky aminao izahay
satria Ianao no manao ireo rehetra ireo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12