jeudi 3 octobre 2019

Alakamisy 03 Oktobra 2019 - II Tan 18 : 1 - 17

1Nanan-karena sy voninahitra be i Jôsafata; ary ny zanany lahy dia nampanambadiany ny zanakavavin’i Ahaba mpanjakan’i Israely. 2Taona vitsivitsy taorian’izany, dia nidina nankany amin’i Ahaba tany Samaria i Jôsafata; ary namonoan’i Ahaba ondry aman’osy sy omby betsaka izy sy ireo olona nanaraka azy. Avy eo dia notaomin’i Ahaba hanafika an’i Ramôta-Gilehada i Jôsafata

3ka nanontaniany hoe:
–Mba hiaraka amiko hanafika an’i Ramôta-Gilehada ve ianao?

Dia novaliany hoe:
–Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny tafiko dia tafikao; koa hiaraka hiantafika aminao izahay.

4Mbola niteny tamin’ny mpanjakan’i Israely indray i Jôsafata ka nanao hoe:
–Mba anontanio aloha ny tenin’ny TOMPO.

5ary novorin’ny mpanjakan’i Israely ny mpaminaniny efajato lahy ka nanontaniany hoe:
–Handeha hanafika an’i Ramôta-Gilehada ve isika, sa hijanona ihany aho?

Dia novalian’ireo hoe:
–Mandehana, ry andriamanjaka, fa hatolotr’Andriamanitra eo an-tananao ny tanàna.

6Ary hoy kosa i Jôsafata:
–Moa tsy misy mpaminanin’ny TOMPO koa ve eto mba hanontaniantsika?

7Dia novalian’ny mpanjakan’i Israely hoe:
–Mbola misy lehilahy iray ahazoantsika manontany ny TOMPO ao; saingy halako izy, satria tsy mbola naminany soa ho ahy fa loza mandrakariva. Mikaià, zanakalahin’i Jimlà, no anarany.

Ka hoy i Jôsafata:
–Aza dia miteny toy izany re ianao, ry mpanjaka!

8Tamin’izay dia niantso tandapa anankiray ny mpanjakan’i Israely, ka nandidy azy haka faingana an’i Mikaià zanakalahin’i Jimlà.

9Ary ny mpanjakan’i Israely sy ny mpanjakan’i Joda dia samy nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany sy efa niakanjo ny fanamiany avy, teo amin’ilay kianja manoloana ny vavahadin’i Samaria, nandritra ny naminanian’ireo mpaminany rehetra ireo. 10Fa i Tsedekià, zanakalahin’i Kenahanà, dia namboatra tandro-by ka niteny hoe:
–Izao no lazain’ny TOMPO: «Ireto tandroka ireto no hanotoanao ny tafika sirianina mandra-paharingany.»

11Dia nilaza hafatra toy izany avokoa ny mpaminany rehetra teo ka nanao hoe:
–Tafiho i Ramôta-Gilehada fa ho resinao, ry mpanjaka! Eny, hatolotry ny TOMPO eo an-tananao io tanàna io.


12Ilay iraka izay nandeha naka an’i Mikaià kosa dia niteny taminy hoe:
–Indro efa iray teny avokoa izao ireo mpaminany, ka milaza soa ho an’ny mpanjaka; enga anie ny teninao mba ho tahaka ny azy, ka hilaza soa ihany koa!

13Fa hoy i Mikaià hoe:
–Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa izay lazain’Andriamanitra ihany no hambarako.

14Rehefa tonga teo anatrehan’ny mpanjaka izy, dia nanontaniany hoe:
–Ry Mikaià, handeha hanafika an’i Ramôta-Gilehada ve izahay, sa hijanona ihany aho?

Ka hoy ny navaliny azy:
–Mandehana fa handresy ianareo, ary hatolotry ny Tompo eo an-tananareo io tanàna io.

15Fa hoy indray ny mpanjaka taminy:
–Impiry moa no hampianianako anao mba tsy hilaza amiko afa-tsy ny marina ihany amin’ny anaran’ny TOMPO?

16Dia hoy ny navalin’i Mikaià:
–Hitako fa ny tafik’i Israely manontolo dia niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry. Ary ny TOMPO niteny hoe: «Tsy mana-mpifehy intsony ireo miaramila ireo, ka aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy!»

17Dia hoy ny mpanjakan’i Israely tamin’i Jôsafata:
–Tsy efa voalazako taminao va fa tsy mba mety maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12