mardi 15 octobre 2019

Talata 15 Oktobra 2019 - Jer 26 : 8 - 17

 8Koa rehefa tapitra voalazan’i Jeremià ny teny rehetra izay nasain’ny TOMPO nambarany tamin’ny besinimaro teo, dia nosamborin’izy rehetra i Jeremià ka nataony hoe:
–Mendrika ho faty ianao. 9Ahoana no ahasahianao milaza amin’ny anaran’ny TOMPO fa horavana tahaka ny tao Silao ity trano ity, ary ho simba sady tsy hisy mponina ity tanàna ity?
Tamin’izay dia nitangorona hamely an’i Jeremià izay rehetra teo an-kianjan’ny tranon’ny TOMPO.
10Nony ren’ireo mpitondran’i Joda ny zava-nitranga, dia niakatra avy tao an-dapan’ny mpanjaka hankao an-tranon’ny TOMPO izy, ka nipetraka hitsara teo anoloan’ny vavahady vaovao amin’ny tranon’ny TOMPO.

11Dia hoy ireo mpisorona ama-mpaminany tamin’ny mpitondran’i Joda ary koa tamin’ny vahoaka rehetra teo:
–Mendrika ho faty io lehilahy io, satria naminany ny hamelezana ity tanàna ity izy, ary ny sofinareo mihitsy no efa nandre.

12Fa namaly ny mpitondra sy ny vahoaka rehetra teo i Jeremià ka nanao hoe:
–Ny TOMPO no naniraka ahy hanambara ny hamelezana ity trano ity sy ity tanàna ity araka izay efa renareo teo. 13Koa ankehitriny hatsarao ny fitondrantenanareo sy ny fomba fanaonareo; henoy izay lazain’ny TOMPO Andriamanitrareo, dia tsy hampiharin’ny TOMPO ilay loza efa nolazainy hamelezana anareo. 14Ary raha ny tenako dia indro eo am-pelatananareo; ka ataovy amiko izay heverinareo ho tsara sy mahitsy. 15Saingy izao, raha hamono ahy ho faty ianareo, dia fantaro fa mamono ny tsy manan-tsiny ka hibaby ny vokatr’izany ianareo sy ny mponina rehetra amin’ity tanàna ity; satria ny TOMPO tokoa no naniraka ahy hankatỳ aminareo hanambara ireo teny rehetra ireo mba ho renareo.

16Tamin’izay dia hoy ireo mpitondra sy ny vahoaka rehetra tamin’ny mpisorona sy ny mpaminany hoe:
–Tsy mendrika ho faty ity lehilahy ity fa tamin’ny anaran’ny TOMPO Andriamanitsika no nitenenany tamintsika.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12