mardi 22 octobre 2019

Talata 22 Oktobra 2019 - Mpi 4 : 4 - 16

4Tamin’izany fotoana izany dia i Debôrà, mpaminanivavy vadin’i Lapidôta, no mpitsara nitondra an’i Israely. 5Ny sezam-pitsarana nipetrahan’i Debôrà dia teo ambany hazo rofia, izay nantsoina tatỳ aoriana hoe «Hazo Rofian’i Debôrà», teo anelanelan’i Ramà sy i Betela, any amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma. Niakatra tany ny Israelita rehefa hotsaraina. 6Indray andro i Debôrà dia nampiantso an’i Baràka zanakalahin’i Abinôhama; nampiantsoiny avy any Kedesa any amin’ny faritra naftalîta izy ka nilazany hoe:
–Izao no andidian’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely anao: Mandehana maka vatan-dehilahy andiany folo avy amin’ny fokon’i Naftalỳ sy i Zebolòna, ka tariho any an-tendrombohitra Tabôra. 7Fa hoentaniko i Siserà lehiben’ny tafik’i Jabîna ho tonga eo amoron’ny renirano Kisôna mba hanafika anao miaraka amin’ny kalesiny sy ny andian-tafiny; dia hatolotro eo an-tananao izy.

8Fa namaly an’i Debôrà i Baràka nanao hoe:
–Raha handeha hiaraka amiko ianao, dia handeha aho; fa raha tsy handeha hiaraka amiko kosa ianao, dia tsy handeha aho.

9Ka hoy i Debôrà taminy:
–Handeha hiaraka aminao aho, saingy tsy hisy voninahitra ho anao izao dia halehanao izao, satria ho eo an-tanam-behivavy no hanoloran’ny TOMPO an’i Siserà.

Dia nandeha ho any Kedesa niaraka tamin’i Baràka i Debôrà. 10Nangonin’i Baràka tao ny vatan-dehilahy zebolonîta sy naftalita. Andiany folo no nanaraka azy teny an-tendrombohitra Tabôra, ary niakatra niaraka taminy koa i Debôrà. 11Tao akaikin’i Kedesa no nisy an’i Hebera lehilahy kenita. Noho izy tafasaraka tamin’ireo Kenita hafa taranak’i Hôbaba zaodahin’i Mosesy, dia nanorin-day teo akaikin’ny terebintan’i Tsahananîma izy.

12Dia notantaraina tamin’i Siserà fa niakatra any an-tendrombohitra Tabôra i Baràka, zanakalahin’i Abinôhama. 13Koa novoriny tao Harôseta-Gôima ny kalesiny vy sivinjato sy ny miaramilany rehetra; dia avy teo izy no nankany amin’ny renirano Kisôna.

14Ary hoy i Debôrà tamin’i Baràka:
–Andao amin’izay fa anio no hanoloran’ny TOMPO an’i Siserà eo an-tananao. Ny TOMPO mihitsy no mandeha eo alohanao!

Dia nidina avy teo an-tendrombohitra Tabôra i Baràka narahin’ireo vatan-dehilahiny nisy andiany folo. 15Tamin’izay no nataon’ny TOMPO nifanaritaka teo anoloany kosa i Siserà sy ny kalesiny mbamin’ny miaramilany rehetra. Niala tamin’ny kalesiny mihitsy aza i Siserà ka nandositra an-tongotra. 16Nanenjika ireo kalesy sy ny andian-tafiky ny fahavalony hatrany Harôseta-Gôima i Baràka; dia naringany tamin’ny sabatra avokoa ny miaramilan’i Siserà ka tsy nisy niangana na iray aza.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12