lundi 7 octobre 2019

Alatsinainy 07 Oktobra 2019 - Eze 11 : 1 - 12

1Ary ningain’ny Fanahin’ny Tompo aho ka nentiny hankeo amin’ilay vavahady atsinanana amin’ny tranon’ny TOMPO. Tazako teo anilan’ny fidirana ny lehilahy 25 ka anisan’ireny ireo roalahy lehiben’ny vahoaka, dia i Jazanià zanakalahin’i Hazora, sy i Pelatià zanakalahin’i Benaià. 2Ary hoy ny Fanahy tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, ireo no lehilahy manomana asa ratsy sy manolo-tsaina mandoza eto Jerosalema. 3Lazainy hoe: ‹Tsy hanorenana trano intsony eto ao anatin’ny fotoana elaela! Fa ho toy ny vilany ity tanàna ity ary isika no ho hena tahirizina ao anatiny.› 4Koa ianao, ry ilay taranak’olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao, eny, ijoroy ny maha-mpaminany anao mba hanohitra azy.».

5Dia nilatsaka tamiko ny Fanahin’ny TOMPO ka nandidy ahy hanambara hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: Fantatro izay teneninareo, ry olon’i Israely, fantatro ny eritreritra tonga ao an-tsainareo! 6Efa nahafaty olona maro teto amin’ity tanàna ity ianareo; ary namenoanareo ny lalambe ny fatiny. 7Koa hoy Izaho Tompo ANDRIANANAHARY aminareo: toy ny vilany ity tanàna ity, ary ny hena dia ireo efa novonoinareo ho faty teo anivony. Ianareo kosa anefa dia horoahiko tao. 8Matahotra ny ady ve ianareo? Raha izany, dia halefako aminareo ny ady. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany! 9Horoahiko hiala amin’ity tanàna ity ianareo, ka hatolotro ho eo an-tanàn’ny firenen-kafa; ary hotanterahiko ny didim-pitsarako ny aminareo. 10Hampihariko aminareo ny fitsarako ato anatin’ny faritr’i Israely, ka hovonoiko ho faty amin’ny ady ianareo. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO. 11Tsy ho toy ny vilany ho anareo ity tanàna ity ary tsy ho toy ny hena tahirizina ao anatiny ianareo; fa hampihariko aminareo ny fitsarako ato anatin’ny faritr’i Israely. 12Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO Izay tsy nankatoavinareo lalàna sy tsy narahinareo fitsipika, satria nanaraka ny fomban’ireo firenena nanodidina ianareo.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12