jeudi 31 octobre 2019

Alakamisy 31 Oktobra 2019 - Amo 3 : 1 - 8

1Ry taranak’i Israely, dia ianareo ankohonana rehetra izay nampiakarin’ny TOMPO avy tany Ejipta, henoy izao teny nambarany momba anareo izao:

2«Amin’ny fianakaviana rehetra eto ambonin’ny tany,
dia ianareo ihany no nofidiko sy nokarakaraiko;
noho izany, dia hampamoahako anareo
ny fahadisoana rehetra nataonareo.»

3Hiara-dalana ve ny olon-droa,
raha tsy efa nifanaiky?
4Hanerona ao anaty ala ve ny liona,
raha tsy mahita remby?
Hanerongerona ao an-davany ve ny liona tanora,
raha tsy misy zavatra azony?
5Voan’ny fandrika amin’ny tany ve ny vorona,
raha tsy nisy sakafo nisarika azy?
Mikatona ve ny fandrika-harato
raha tsy mahazo zavatra?
6Tsofina ao an-tanàna ve ny trompetra,
ka tsy hisahotaka ny vahoaka?
Misy loza ve ao an-tanàna,
raha tsy ny TOMPO no nanao azy?
7Satria tsy manao zavatra ny Tompo ANDRIANANAHARY,
raha tsy efa mampahafantatra ny fikasany
amin’ireo mpaminany mpanompony.
8Ny liona no nierona,
ka iza no tsy hatahotra?
Ny Tompo ANDRIANANAHARY no niteny,
ka iza no tsy hampita ny hafatra ampitondrainy?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12