mardi 1 octobre 2019

Talata 01 Oktobra 2019 - I Sam 10 : 1 - 10

1Dia nandray tavoahangy kely feno diloilo i Samoela ka nandraraka izany teo an-dohan’i Saoly. Ary nanoroka an’i Saoly izy sady nanao hoe:

–Ny TOMPO mihitsy no nanokana anao ho filohan’ilay vahoakany. 2Anio, rehefa tafasaraka isika, dia hihaona amin’ny lehilahy anankiroa ianao, eo akaikin’ny fasan’i Rahely ao Tselitsà amin’ny faritanin’i Benjamîna; ary izy ireo hiteny aminao hoe: «Efa hita ireo borikivavy izay notadiavinao; ary ankehitriny dia tsy ny borikiny intsony no mampanahy ny rainao, fa ianareo indray. Koa dia nanontany ny amin’izay tokony hataony hahitany an-janany izy.» 3Hanohy ny lalanao ianao ka ho tonga eo akaikin’ny hazo ôakan’i Tabôra, ary hahita lehilahy telo ho any amin’Andriamanitra any Betela: ny voalohany mitondra zanak’osy telo, ny faharoa mofo telo ary ny fahatelo siny hoditra feno divay. 4Hiarahaba anao izy ireo ary hanome mofo roa izay horaisinao amim-panajana. 5Rehefa izany dia ho tonga ao Gibehà-Elôhima misy andia-miaramila filistinina ianao. Rehefa tonga ao an-tanàna ianao, dia hifanena amin’ny andiana mpaminany izay midina avy eny amin’ny Toeramasina, ka ialohavan’ny mpitendry lokanga sy valiha ny mpively amponga tapaka ary ny mpitsoka sodina. Efa tsindrian-daona haminany avokoa izy ireo. 6Hilatsaka aminao ny Fanahin’ny TOMPO, ka haminany miaraka amin’izy ireo ianao ary ho tonga olom-baovao. 7Rehefa tanteraka aminao ireo famantarana ireo, dia ho fantatrao fa Andriamanitra tokoa no momba anao koa ataovy izay fantatrao fa mety. 8Tsy maintsy midina mialoha ahy any Gilgàla anefa ianao, ka ho tratrako tsy ho ela, any ny hanatrarako mba hanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana. Fito andro no hiandrasanao ahy ao; ka rehefa tonga aho, dia hambarako anao izay tokony hataonao.

9Raha vao nihodina i Saoly ka dify an’i Samoela, dia novan’Andriamanitra fo, ary tanteraka taminy androtrizay ihany ireo zavatra rehetra voalazan’i Samoela. 10Koa rehefa tonga tany Gibehà i Saoly sy ny mpanompony, dia indreo andiana mpaminany nifanena taminy; dia nilatsahan’ny Fanahin’Andriamanitra i Saoly, ary niara-naminany tamin’izy ireo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12