jeudi 10 octobre 2019

Alakamisy 10 Oktobra 2019 - Lio 24 : 17 - 27

17Dia hoy i Jesoa taminy:
–Inona izao iadianareo hevitra etỳ an-dalana izao?

Dia niato kely izy roa lahy sady maloka endrika erỳ. 18Ary namaly Azy ny anankiray atao hoe Kleôpasy ka nanao hoe:
–Ianao irery ve no vahiny mandalo eto Jerosalema tsy mahalala ny zava-nitranga tao, tato ho ato?

19Dia hoy i Jesoa taminy:
–Zavatra inona moa izany?

Ka novalian’izy roa lahy hoe:
–Ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, Izay mpaminany mahery tamin’ny asany sy tamin’ny teniny teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka manontolo; 20kanjo natolotry ny lohandoha-mpisorona sy ny manampahefana eto amintsika mba hohelohina ho faty ary nasainy nohomboana tamin’ny hazofijaliana. 21Nanantena izahay fa Izy no Ilay hanavotra an’i Israely, ary tsy izany ihany fa androany izao no andro fahatelo hatramin’ny nitrangan’izany. 22Nisy ihany anefa vehivavy sasany namanay nahasanganehana anay fatratra: tany amin’ny fasana vao maraina be ry zareo, 23saingy tsy nahita ny vatan’i Jesoa, ary niverina nitantara taminay fa nisehoan’ny anjely anankiroa, ka ireo anjely, hono, nilaza fa velona Izy. 24Dia nisy tamin’ny lehilahy namanay mba nankany amin’ny fasana ka nahita araka ny filazan’ireo vehivavy, fa Izy tsy hitany.

25Dia hoy i Jesoa tamin’izy roa lahy:
–Olona votsa saina ianareo ary ela vao mino izay rehetra voalazan’ny mpaminany! 26Moa tsy tokony ho niaritra izany ve ny Mesia, alohan’ny hidirany any amin’ny voninahiny?

27Dia nohazavain’i Jesoa tamin’ireto mpianatra ny momba Azy ao amin’ny Soratra Masina manontolo, nanomboka tamin’ny bokin’i Mosesy ka nitohy tamin’ny bokin’ny mpaminany rehetra.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12