mercredi 9 octobre 2019

Alarobia 09 Oktobra 2019 - II Tan 25 : 6 - 16

6Teo koa ny lehilahy maherifo israelita nisy antokony zato nokaramain’ity mpanjaka volafotsy telo taonina 7Kanefa nisy lehilahy olon’Andriamanitra tonga tao amin’i Amatsià ka nanao hoe:
–Ry andriamanjaka, aza avela hanaraka anao hiantafika ny miaramila israelita, satria tsy miaraka amin’ireo rehetra taranak’i Efraîma ireo ny TOMPO. 8Fa raha miara-manainga aminy ihany ianao, na dia hahery mikatroka an’ady toy inona aza, dia hataon’Andriamanitra lavo eo anoloan’ny fahavalonao; Andriamanitra manko no hany mahay mampandresy na mampahalavo.

9Hoy kosa i Amatsià tamin’ilay olon’Andriamanitra:
–Ka hatao ahoana ny amin’ny volafotsy telo taonina izay nomeko ny miaramila israelita?

Dia novaliany hoe:
–Ny TOMPO dia mahay manome anao mihoatra lavitra noho izany.

10Ary navahan’i Amatsià ny miaramila efraimita tonga teo aminy mba halefa hody indray; ka sady lasa nody ireo no nirehi-pahatezerana mafy dia mafy tokoa tamin’ny fanjakàn’i Joda.
11Nanana herimpo i Amatsià, ka nitarika ny tafiny hankao amin’ny Lohasahan-tsira, ary nahafaty antokony folo tamin’ny Edômita taranak’i Sehîra. 12Ary ny antokony folo sisa kosa dia nataon’ny Jodeanina sambo-belona, dia nentiny teo antampon’ny hantsam-bato ary navariny teo, ka montsamontsana izy rehetra.

13Fa ny miaramila efraimita, izay nalefan’i Amatsià hody mba tsy hiara-miantafika aminy, dia niriotra namely ireo tanàna jodeanina nanomboka teo Migrôna ka nipaka hatrany Bety-Hôrôna ary nahafaty olona telo arivo sady nitondra babo betsaka.

14Nony niverina avy nanafika ny Edômita i Amatsià, dia nitondra ny sarivongan’ny andriamanitr’ireo taranak’i Sehîra ireo ka nanangana azy ho andriamaniny; ary niankohoka teo anatrehany izy hitsaoka azy sady nanolotra sorona taminy. 15Dia nirehi-pahatezerana tamin’i Amatsià ny TOMPO, ka naniraka mpaminany anankiray ho any aminy hanontany azy hoe:
–Nahoana ianao no mivavaka amin’ny andriamanitr’ireo hafa firenena, dia andriamanitra izay tsy naharo ny olony tamin’ny tananao akory aza?

16Fa rehefa nitenenan’ity mpaminany izany izy, dia namaly hoe:
–Moa ve nisy nanendry anao ho mpanolotsaina ny mpanjaka? Aoka itsỳ, fandrao asian’ny olona eo ianao!

Dia niato kely ilay mpaminany, vao nanohy hoe:
–Fantatro fa nanapa-kevitra hahafaty anao Andriamanitra, satria nanao izany ianao ka tsy nihaino ny anatro.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12