mardi 8 octobre 2019

Talata 08 Oktobra 2019 - Lio 7 : 36 - 50

36Nisy Farisianina nanasa an’i Jesoa hiara-misakafo aminy, koa nandroso tao aminy Izy ary naka toerana. 37Nisy kosa vehivavy anankiray malaza ho mpanota tao an-tanàna. Vao nahalala ravehivavy fa hoe misakafo ao amin’ilay Farisianina i Jesoa, dia naka ilomanitra eran’ny tavoahangy alabasitra; 38ka indro izy nankeo ivohon’i Jesoa ary nitomany dia nitomany teo an-tongony. Kotsan’ny ranomaso ny tongotr’i Jesoa ka nofaohin-dravehivavy tamin’ny volon-dohany, norokorohany tamim-pitiavana ary nohosorany an’ilay ilomanitra. 39Raha nahita izany ilay Farisianina nampiantrano an’i Jesoa, dia nanao anakampo hoe: «Raha mpaminany tokoa ity, dia ho nahafantatra izay tena toetran’io vehivavy mikasikasika Azy io fa hoe mpanota.»

40Ary i Jesoa niteny taminy hoe:
–Simôna ô, misy zavatra tiako holazaina aminao!

Dia hoy i Simôna hoe:
–Lazao àry hoe, ry Mpampianatra!

41Ka hoy i Jesoa taminy:
–Nisy, hono, olona roa nitrosa vola tamin’izay mpampisambo-bola izay; ny iray nitrosa denàry dimanjato, ny iray denàry dimampolo. 42Samy tsy nanan-kandoavana anefa izy roa lahy ka dia nafoin’ny mpampisambotra ny trosa rehetra rehetra. Iza amin’izy roa lahy, hoy ianao, no ho tia azy kokoa?

43Dia novalian’i Simôna hoe:
–Ataoko fa ilay namoizany be.

Ka hoy i Jesoa taminy:
–Marina ny hevitrao!

44Dia nitodika nijery an-dravehivavy Izy sady nanao tamin’i Simôna hoe:
–Hitanao ve ity vehivavy ity? Niditra ny tranonao Aho: ianao tsy nanome rano Ahy hanasako tongotra; izy kosa ny ranomasony no nanondrahany ny tongotro ary ny volon-dohany no namaohany azy. 45Ianao tsy nanoroka Ahy; izy kosa, hatrizay nidirany, tsy nitsahatra nanorokoroka ny tongotro. 46Ianao tsy nanosotra diloilo ny lohako; izy kosa nanosotra ilomanitra ny tongotro. 47Koa izao no teniko aminao: Voavela ny heloka be nataony, noho izy be fitiavana; fa izay amelana kely no kely fitiavana.

48Hoy kosa i Jesoa tamin-dravehivavy:
–Voavela ny helokao!

49Ireo niara-nisakafo tamin’i Jesoa dia nanao anakampo hoe: «Iza moa ity no mamela heloka?» 50Fa hoy indray i Jesoa tamin-dravehivavy:
–Ny finoanao no nahavonjy anao! Ndeha àry ka veloma finaritra!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12