lundi 11 décembre 2017

Alatsinainy 11 Desambra 2017 - Rom 8 : 31 - 39

31Koa inona àry no mbola holazaintsika eo anoloan'izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? 32Izy Ilay tsy nandala ny tena Zanany, ka nanolotra Azy ho famonjena antsika rehetra, moa ve Izy tsy hanome antsika maimaimpoana ny zavatra rehetra miaraka amin'ny Zanany koa? 33Iza no hiampanga ireo olom-boafidin'Andriamanitra? Tsy misy, satria Andriamanitra no efa nanaiky azy ireo ho marina! 34Iza no afa-manameloka? Tsy misy, satria i Kristy Jesoa efa maty sady efa nitsangana velona rahateo koa, ary mitoetra eo ankavanan'Andriamanitra ka mivavaka ho antsika!

35Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana ve, sa fihafiana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fahantrana, sa loza, sa fahafatesana? 36Araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe:

«Noho ny aminao no anatrehanay fahafatesana
tontolo andro;
toy ny ondry hovonoina ny fihevitry ny olona anay8.36 Sal 44.23.!»

37Amin'izany rehetra izany anefa, dia tena mpandresy tanteraka isika, amin'ny alalan'Ilay efa tia antsika. 38Satria matoky aho fa tsy hisy hahasaraka antsika amin'ny fitiavana asehon'Andriamanitra antsika; eny, na ny fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana na ireo hery eny ana habakabaka, na zavatra ankehitriny na zavatra ho avy, 39na zavaboaary inona, dia tsy hisy hahasaraka antsika amin'ny fitiavana asehon'Andriamanitra antsika ao amin'i Kristy Jesoa Tompontsika.

Ny Romana 8 no anazavan'i Paoly ny fítahiana mahatretrika ananan'ny mpino. ka hananany fiainam- pandresena sy feno fanantenana.

Ny fíainam-pamonjena azon'ny mino:

1- Ao amin'i Jesoa Kristy
Fanontaniana enina misesv no napetrakv ny Apostoly Paoly entina handresena lahatra antsika. fa na dia mbola eto amin'izao tontolo izao aza ny mpino, dia mahazo antoka ny mandrakizay, satria momba antsika Andriamanitra. Porofon'izany ny nanomezany an'i Jesoa Kristy Zanany Lahitokana, ka afaka hiantoka hatramin'ny fara-tamponv amin'ny tanjona sy izay zavatra ilaintsika. Planin'Andriamanitra ho fanomezam-boninahitra sy ho fanamasinana antsika izany, ka tsy tokony hataontsika raraka an-tany.

2- Maneho nv fitiavan'i Kristv
"Iza no hahasaraka antsika amin 'ny fìtiavan 'i Kristy? " Farany tamin'ny fanontanian'i Paoly ity, izay manasongadina indrindra ny fanomezana valiny ho amin'ny fiainam-panahin'ny mpino. Ireo toe-javatra fito voalaza ireo dia mety hiainantsika ihany (fahoriana. fahantrana. fanenjehana. mosary, fìtanjahana. loza, sabatra), saingy ny fitiavan'i Kristy izay mihoatra noho izany kosa no mampandresy antsika hatrany. Io fitiavan'i Kristy io no efa namonjeny izao tontolo izao. ka nanolorany ny ainy sy nandatsahany ny rany teo ambony hazo fijaliana. Tsarovy ary fa manana anjara amin'io fitiavan'i Kristy io ianao, ka tonga mpandresy tahaka Azy.

Fanontaniana:
Tanisao ireo fìzahan-toetra mahazo anao nefa tsy mety resinao mihitsy. Nahoana no tsy mety resinao izany?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12