samedi 9 décembre 2017

Sabotsy 09 Desambra 2017 - Deo 10 : 12 - 19

12Ary ankehitriny, ry Israelita, inona moa no andrandrain'ny TOMPO Andriamanitrareo aminareo, afa-tsy ny hanajanareo AZY sy ny hizoranareo amin'ny lalana rehetra soritany ary ny hitiavanareo sy hanompoanareo AZY amin'ny fonareo manontolo sy amin'ny fanahinareo manontolo. 13Andrandrain'ny TOMPO aminareo ny hitandremanareo ny didy aman-dalàny, izay ampitaiko aminareo anio mba hahasambatra anareo. 14Indro fa an'ny TOMPO Andriamanitrareo ny lanitra midadasika ary ny tany mbamin'izay rehetra eo aminy. 15Kanefa ny razambenareo ihany no niraiketan'ny TOMPO hotiavina ka nifidianany anareo taranany mihoatra noho ny firenena hafa rehetra, araka izao hitanareo anio izao. 16Noho izany, aoka ny fonareo ho voatokana tanteraka ho an'ny TOMPO10.16 Ny RM dia manambara izany hevitra izany araka ny fomba fiteny hoe forao ny fonareo. Ny famorana manko ho famantarana fa voatokana ho an'ny Tompo, anisan'ny vahoakany tokoa ny olona anankiray., fa aza mafy hatoka intsony ianareo. 17Ilay TOMPO Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon'ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, tsy mba mizaha tavan'olona10.17 Tompon'ny tompo: jereo 1Tim 6.15; Apôk 17.14; 19.16. –tsy mba mizaha tavan'olona: izany hoe tsy mba miangatra; jereo Asa 10.34; Rm 2.11; Ef 6.9. na mandray kolikoly; 18manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana. 19Koa tiavo ny vahiny eo aminareo, fa efa mba vahiny tany Ejipta ianareo.

Ilay Andriamanitra be fitiavana

Fantaro Ilay Andriamanitra be fítiavana fa:

1 - Tsv manam-paharoa Izv (and 17-18)
Ireo toetra mampiavaka sy maneho ny maha izy Azy an' Andriamanitra no ambarany amintsika eto. Tsy manam- paharoa Andriamanitra satria Tompon'ny fiandrianana avo indrindra Izy, manana ny hery sy ny fahefana ambony indrindra Izy, mahitsy sy marina Izy ary tia sy miantra izay atao anjorom-bala Izy. Nasehony tao amin'i Jesoa Kristy fony Izy tety an-tany ireo toetrany ireo. Nanehoan' Andriamanitra ny fitiavany isika ka tokony ahay haneho fitiavana ny hafa ihany koa (and 19).

2 - Mendrika nv hotiavina Izv (and 12-16).
Tia antsika Andriamanitra. Nasehony tao amin'i Jesoa izany fitiavany antsika izany. Mandeha ila anefa ny fitiavan'Andriamanitra raha toa ka tsy mba mahay mamaly fitia Azy isika. IIo setrin'ny fitiavany antsika dia aoka hanaja sy hankato Azy isika ka hitandrina ny Teniny araka izay ahitana izany ao amin'ny Soratra Masina manontolo, ho tia sy hanompo Azy amin'ny fontsika sy amin'ny fanahintsika sy izay rehetra ananantsika. Tsarovy fa tsy toy inona akory ny fanehoam-pitiavana andrasan' Andriamanitra amintsika raha oharina amin'izay efa nataony ho antsika.

Fanontaniana:
Inona amin 'ireo fanehoam-pitiavana an 'Andriamanitra ireo no mila hanaovanao ezaka bebe kokoa hatrany?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12