mardi 5 décembre 2017

Talata 05 Desambra 2017 - Jer 31 : 1 - 6

1«Rehefa tonga izany fotoana izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia ho Andriamanitry ny foko israelita rehetra Aho, ary izy ho vahoakako.»


«Tany an-taniefitra no nanehoako hatsaram-po
ny vahoaka sisa tsy matin'ny fandringanana.
Hizotra milamina amin'izay i Israely.
3Hoy izy hoe:
‹Avy lavitra ny TOMPO no tonga niseho tamiko.›
ka hoy ny navaliko azy:
‹Fitiavana mandrakizay no itiavako anao
ka famindrampo no itaomako anao hanatona Ahy.
4Haoriko indray ianao, ry Israely mamiko,
ka ho voaorina;
hiravahanao indray ny ampongatapakao
hanentananao ireo mpandihy mitotorebika.
5Hambolenao voaloboka indray
eny amin'ny havoanan'i Samaria
ka ireo mpamboly no hioty
ny vokatry ny famboleny.
6Fa ho avy indray ny andro
izay hiantsoan'ireo mpiambina
eny an-tendrombohitr'i Efraîma31.6 Efraîma, zanakalahin'i Jôsefa (Gen 41.52) ary razan'ny foko lehibe indrindra tamin'ny fanjakan'i Israely avaratra, no enti-manondro ny fitambaran'izany fanjakana izany. hoe:
Andeha isika hiakatra any Tsiôna
ho eo anilan'ny TOMPO Andriamanitsika!› »

Fitiavana mandrakizay Andriamanitra

1- Nv fitiavany nv Isiraelv
Hafatra ho an'ny Jiosy babo tany Babylona ity. Ambarany ny momba ny Isiraely hatramin'ny fanjakana avaratra, ary ny Isiraely manontolo. Tiany ny fanjakana Avaratra, na Isiraely, na i Efraima. na i Samaria (aiid 2; 4; 5). Omena fítsaharana sy filaminana izy ka tsy hisy ady ao amìny (and 2). Hanorina indray ny Isiraely efa rava i Jehovah, ka hanome fihobiana sy fifaliana ao amin'ny taniny. Hambolena hatao tanim-boaloboka indray ny tendrombohitr" i Samaria ; ary noho ny fiadanana omeny, dia izy ihany no hihinana ny vokatra (and 5-6). Vokatry ny fitiavan'Andriamanitra dia hanjary ho mahataona i Ziona, izay toerana tokana fihaonany amin'ny Isiraely (and 6). Mitoetra ho mandrakizay Andriamanitra ary tsy voafetran'ny fotoana sy ny toerana ny fitiavany ny olony.

2- Nv famindram-ponv amin'nv Isiraelv
Andriamanitry ny famindram-po ny Tompo. Mifamatotra ny fitiavan'Andriamanitra sy ny famindram-pony. Manafoana ny tenany Andriamanitra ka manisy soa ny Isiraely izay nanota sy niala taminy dia ny Isiraely virjina (and 4) . Mamindra fo amin'ny maditra sy ny mafy hatoka Izy. Mahary an'i Isiraelv ho vaovao i Jehovah. Manao fanarenananv Isiraely manontolo ny Tompo : sitranina nv taniny; averina ho amin'ny fivavahana feno fifaliana sy fanompoana ny Isiraely. Manavao ny fanekeny mandrakizay ny Tompo ka ho Andriamanitry ny isam- pianakavian 'ny Isiraelv (and 1).

Fanontaniana:
Ahoana ny fahatsapantsika ny fìtiavan 'Andriamanitra?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12